Manamafy ny politika manakaiky vahoaka amin'ny alalan'ny fanentanana sy fanabeazana ny mpampiasa lalana hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny polisim-pirenena enatin'ny Compagnie Urbaine Tana Ville ahitana ny BAC (Brigade des Accidents de la Circulation), ny CUI (Compagnie Urbaine d’Intervention) ary ny BFP (Brigade Féminine de Proximité). Nitohy teny Analakely ny hetsika omaly 03 desambra, niantefa tamin’ny mpitondra moto, fiara, bisikileta, mpandeha an-tongotra ary sarety ny fanabeazana. Tao anatin’ny ora roa dia monja, voamarika fandikan-dalàna maro: 211 isa ny moto, 30 fiara, 20 mpandeha an-tongotra, 19 bisikileta ary 7 sarety. Nisy ihany koa ireo mpitondra moto nanao tari-dositra sy tsy nanaiky ny fanamarihan’ny polisy. Araka ny fanazavan’ny Polisim-pirenena, tanjona ny hampihena ny lozam-pifamoivoizana sy ny hampahatsiahy fa andraikitry ny tsirairay ny fiarovana ny aina. Tsy natao ho an’ny polisy ihany ny fanaovana casque moto, fa ho an’ny fiarovana ny rehetra. Mila manaraka ny lalàna avokoa ny mpampiasa lalana, hatramin’ny mpivarotra eny an-dalambe. Tazana nandritra ny hetsika moa ny Commandant de Corps Urbain, Commissaire de Police Sorodany Fritz Hermann, niaraka tamin’ireo ekipa nanatanteraka ny fanabeazana. Tahaka izany ihany koa ny Chef de la Brigade des accidents au Commissariat Central d’Antananarivo Ville Commissaire de Police TINAZAFY Perlin. Mitohy hatrany ny hetsika ao anatin’ny lalan-tsaina “Polisim-pirenena manakaiky vahoaka”, izay mikendry ny hanabe, hihaino ary hitondra vahaolana ho tombontsoan’ny fiarahamonina sy ny firenena.
Toky R