raha ny hita teny an-toerana hatramin’ny omaly. Saika namboarina fa tavela teo, indrindra, ilay miakatra avy any Avaradoha mihazo ny lalana mankany Tsarahonenana sy Fort Duchesne – Mausolée, hoy ny mpitondra fiarakaretsaka nandalo teny an-toerana. Ohatra iray amin’ireo lalana zara faha vita eto Antananarivo moa no hita teny. Lalana Bombo voanjo, hoy ny filaza azy mahazatra. Na ny mandalo ny Bel’air Ampandrana na ny mihazo an’iny Ambanidia iny, ny eny 67ha izany moa, tsy lazaina intsony. Efa ela no potika ny lalana eto Antananarivo saingy hatramin’izao aloha dia mbola andrasana ny tena fanamboarana marina tsy vonjy tavan’andro.
J. Mirija
Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava momba
Na ireo mponina aza gaga mahita ny fizotran’ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo,
Naka olona indray ny rano tany Belo Sur Tsiribihiana.