Nitohy ny fanoherana ataon'ireo mpamily sy mpanera sasany etsy amin'ny Fasan'ny Karana, izay miziriziry tsy manaiky ny lamina vaovao hifindrana etsy amin'ny Toby fiantsonana Amoronankona. Tapitra omaly 15 septambra 2026 ny fotoana ahafana mifindra eny an-toerana. Raikitra indray anefa ny fikomiana omaly, tonga tamin'ny fihoaram-pefy, niitatra tamin'ny fifandonana. Nivoaka ny Fasan'ny Karana ireo taksibrosy sasany, nitondra andian'olona teny ambony tafo, nihorakoraka, niazo ny RN7 teny Ambatofotsy. Noho ny fisiana olona maro teny ambony tafo, taksibrosy iray nosakanan'ny polisy teo amin'ny Gazety By Pass saingy nitrifana, tsy nijanona. Nenjehin'ny polisy ka tratra teo Iavoloha. Rehefa nifamotoana teny amin'ny RN7 ireo mpanao fitokonana, notapahan'ireo eny amin'ny Fasan'ny karàna, dia notapahan'izy ireo ny lalana tany amin'ny 500 metatra mialohan'ny idirana an'Ambatofotsy, raha avy aty Antananarivo. Niteraka fahatapahan-dalana satria tonga hatramin'ny fandoroan-javatra teny an'arabe, nanakanana ny fifamoivoizana omaly atoandro. Tonga nandamina teny an-toerana ny mpitandro ny filaminana, niezaka nandresy lahatra ny hanajanonana ny sakan-dalana izay manelingelina ny hafa, saingy nidrikina ny ankilany na nisy aza ny fifampiresahana. Niroso tamin'ny fanalana ny sakana ny mpitandro ny filaminana, saingy torabato no setriny. Niraradraraka noho izany ny lakrimozenina nandrava azy ireo tamin'ny fandatsahana baomba mandatsa-dranomaso ny polisy, nangotraka ny fifandonana. Vokany, lehilahy iray naratra mafy, nentina teny amin'ny hopitaly HJRA, saingy tsy tana ny ainy. Niparitaka teny amin'ny tambajotran-tserasera moa ny hoe voatifitra izy io, saingy tsy mbola nisy filazam-baovao ofisialy. Ankoatra izay, olona 16 mianadahy, voalaza fa mpanao fihetsiketsehana avy ao Fasan’ny Karana, no nosamborin’ny Polisy avy ao amin’ny FIP, niaraka tamin’ireo Zandary avy ao amin’ny FIGN, teny Ambatofotsy. Nentina avy hatrany tao amin’ny Brigade criminelle Anosy ireo olona 16 ireo, izay hanaovana fanadihadiana momba ny zava-nitranga sy ny antony nahatonga ny fisamborana azy ireo, raha naiditra am-balam-pamonjana na « fourrière » ireo fiara nihoam-pefy. Mbola nisy ireo andiany nanao sakana teny Ampangabe ny takariva,... raha efa misy koa ny manaiky ny fandaminana, toy ny Kaoperativa niainga avy any Fianarantsoa omaly hariva, izay nanaiky ny hivantana eny amin’ny Gare Routière Fisandratana Amoronakona.
LALAOVINA ARA-POLITIKA ?
Refesin'ireo mpanao fitokonana ny Fanjakana rehefa tsy nahomby ny famadihana ny tenin'ny Minisitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany nolazaina fa nanome toromarika hijanonana eny Fasan'ny Karana dia mivadika fanoherana sy fanakorontanana, ary misy mijapy ara-politika. Ny etsy amin'ny Fasan'ny Karana izay nohazavain'ny Minisiteran'ny fitaterana fa "stationnement" vonjimaika no nampiasana azy, fa izao dia mila mifindra amin'ny tobim-piantsonana ara-dalàna, saingy sakan-dalana sy tora-bato no setriny. Ankoatra ireo mpitatitra, voalaza fa nanatevina ity fitokonana ity ihany koa ireo mpivarotra, mpanera. Nisy ny fiara tratra nitondra sy nanaparitaka vato ankoatra ilay namaky barazy. Anisan'ny nohirahirahin'ireo mpanao fitokonana tato anatin'ny andro maromaro ny hoe : miala ny Minisitry ny fitaterana Herizo Andrianavalona, saingy nanamafy ity farany omaly fa tsy mihemotra ny Fanjakana, tany misy lalàna sy Fanjakana eto. Ity raharaha ity izay manomboka sintonina sy entina andrehetana afo politika raha ny tsikaritra omaly tamin'ny tambajotran-tserasera. Mandeha ny fandranitana, fiantsoana fankahalana samihafa,... indrisy fa misy ain’olona nafoy. Sanatria manamaivana ny fitakiana sy ny heverin’izy ireo fa rariny sy marina saingy raha hanao tahaka izao avokoa rehefa misy fandaminana vaovao moa tsy hisy hitaky hatramin’ny hamindrana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ao Ivato ho any Diego na Toliara ? Sanatria misy vela-pandrika politika hoentina mandrehitra afo ara-politika ? Raha nanontanian'ny mpanao gazety mikasika io raharaha io ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael ny alahady teo dia tsotra ny navaliny hoe: "Aoka isika mba ho tia fiovàna, hanampy ny fanalefahana ny fitohanana io kanefa ihany koa volantsika Malagasy no nanaovana azy io ka tsy tokony ho avela simba fotsiny".
Toky R