niaraka tamin’ny bisikileta nentiny nivezivezy eran’ny tany ny datin’ny Zoma 28 Febroary teo tokony ho tamin'ny 2 sy sasany folakandro. Tany amin’ny PK 174+500 Ambohimanarivo Fokontany Andranonahoatra, kaominina ambanivohitr’ Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra no nitrangan’izany. Lalana mahitsy somary fidinana no nisehoan’ny loza. Fiara kamiao lehibe iray avy Antsirabe ho any Vinaninkarena no nisongona ny bisikileta nentiny.Tsy voahaja ny elanelana ilaina amin'ny fisongonana hoy ny vaovao ka voasariky ny kodiarana aoriana ilay Raim-pianakaviana nitondra bisikileta ka lavo tao ambany fiara. Naratra mafy vokatry ny fianjerana izy ka vetivety dia tsy tana ny ainy. Raha tsiahivina kely moa ny tantara dia niala tao an-tokantranony tao Ambatolahy Sahanivotry Itompokolahy. Tsy hita nanomboka marainan’io 28 Febroary io mantsy ny zanany. Nivezivezy nikaroka ity farany eran'ny tanàna no nataony tamin’izany. Notadiaviny hatrany Antsirabe ilay zanany fa tsy tany. Efa lanaky ny hakiviana, ny hanoanana sy harerahana izy no tapakevitra hody any an-trano hanao tatitra kinanjo izao nopaohan-drafahafatesana izao.
Pati
Legende : Ilay kamiao nifaokan-dRatompokolahy !
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»