airtel

Fifamoivoizana

22-mai-2025

RANDRIANARISOA JEAN HARILANTO

Ny « démonétisation » ihany no hahafahana mifehy ny taksibe

Sample post image

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

22-mai-2025

amintsika na eto an-drenivohitra izany na any ivelan’ny renivohitra. Tsy misy izay tsy mikolay amin’izany ny mpandeha isan’andro. Anisan’ny tena tsy zakan’ny rehetra ny fiodinana an-dalana, ny fodiana alohabe loatra, ny fanalana mpandeha eny am-pandehanana…. izay samy tsy misy manaja ny bokin’andraikitra avokoa. Nambaran-dRandrianarisoa Jean Harilanto, filohan’ny koperativa Mirindra fa ny demonetisation ihany no hahafahana mamaha izany olana rehetra izany. Ny Sofera sy ny resevera hanara-dalana hoy izy raha vantany vao tanteraka izany satria tsy handany andro handeha mafy etsy sy eroa sy hifanenjika intsony. Tsy handray mpandeha etsy sy eroa intsony koa izy ireny. Ny demonetisation hoy izy dia tsy misy vola kirakiraina intsony fa digital no miasa. Foana hatreo ny olana vola sandoka, ny famerim-bola adino izay miteraka fifamaliana eo amin’ny resevera sy ny mpandeha… Hangaraharaha ihany koa ny fiasan’ny mpamily sy ny resevera hoy izy ary ho afaka mijery ny mahaolona ny mpitatitra satria mitombo ny vola miditra.
Pati
Legende : Randrianarisoa Jean Harilanto, filohan’ny koperativa Mirindra !
 

Dans la même rubrique

25-juin-2025

Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny tokotanin’ny CCI Ivato omaly talata 24 jona 2025

Card image cap
24-juin-2025

Tsiahivina fa ny Alatsinainy 16 Jona teo no niainga avy tao Mahajanga ny

Card image cap
24-juin-2025

Zava-doza no nitranga teny amin’ny toerana antsoina hoe "Coca",

Card image cap