mpitantana ny seranam-piamanidina etsy Ivato manomboka amin’ity taona vaovao 2025 ity. Hatreto mantsy dia manodidina ny 900.000 eo ho eo ireo mpandeha azontsika tanterin’ireo fiaramanidina miisa 6 eo anivon’ny Madagascar Airlines. Anisan’ny antony hanaovan’izy ireo ny asa fanamboarana sy fanavaozana goavana eo anivon’ity seranam-piaramanidina iray izany ho fanomezana fahafaham-po ny mpandeha. Tsy latsa-danja amin’ny fanamboarana ny tobim-piantsonan’ny fiaramanidina izay mitentina 11,47 tapitrisa Auros…ohatra ny fanatsarana ny tolotra toy ny tsy fitazomana ela ireo mpandeha avy any ivelany tonga eto Madagasikara. Misy mihoatra ny ora 2 mantsy izany ho an’ny sasany, raha ny fitarainana voaray. Tsiahivina moa fa amin’ny tapaky ny volana Oktobra any ho any vao hifarana ny asa fanamboarana tanterahin’ny orinasa Ravinala Airports ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. Ho an’ny Terminal domestique misy ankehitriny moa dia fantatra fa havadika ho toerana handraisana ireo mpandeha hiondrana any ivelany izany. Ho an’ny Terminal International teo aloha indray dia natokana handraisana ireo mpandeha rehetra tonga avy any ivelany izany….
Pati
Legende : Ny tale jeneralin’ny Ravinala Aiports nanazava ny fizotry ny asa tamin’ny mpanao gazety !
Niakatra fampanoavana androany i Kiady, mpilalao sarimihetsika malagasy,
Nanitsy ny saran-dalany ireo taxi-brousse mivoaka ny faritra toy ny miazo
Hiakatra Fitsarana anio Alakamisy 15 Jona i Kiady ilay mpilalao sary mihetsika,