airtel

Fifamoivoizana

18-nov-2024

RN 1, mpifankatia nandeha moto tra-doza

Maty tsy tra-drano ilay lehilahy, tapaka ny fen’ilay vehivahy

Sample post image

omaly alahady. Araka ny vaovao vonjimaika niely, mpifankatia nandeha moto

18-nov-2024

no nifandona tamin’ny fiara taksibe avy any Imeritsiatosika. Mafy dia mafy ny fifandonana, ary hita taratra tamin’ny fahapotehan’ilay moto izany. Vokany, maty tsy tra-drano ilay lehilahy mpitondra moto, raha tapaka sy nipitika ny fen’ilay vehivavy niaraka taminy. Tena sesilany ny lozam-pifamoivoizana hamoizana ain’olona ka isan’ny tena betsaka ny tranga ho an’ny kodiaran-droa. Saika isan’andro satria omaly takariva dia moto iray hafa ihany koa no nifandona tamin’ny fiara marika tsy mataho-dàlana marika Hyudai, izay soa fa tsy nisy ny aina nafoy, saingy naratra nifamonjena ilay mpamily kodiaran-droa, raha ny fanamarihana. Hamafisina hatrany ny fanentanana ny mpampiasa làlana hitandrina sy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ary hifampitsinjo fa tsy hifampisetrasetra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Haharaisana fitarainana hatrany ny tsy fanarahan-dalana hataon’ireo taksibe eto

Card image cap
22-mai-2025

Nifampitadiavana ny vatana sy lohan’ilay mpandeha an-tongotra

Card image cap