airtel

Fifamoivoizana

22-août-2025

RN 4 sy RN 6

«Tena mila fitandremana be, aleo mandeha mora»

Sample post image

Tena mila fitandremana be, raha tsy dia ampy torimaso ny mpamily

22-août-2025

na tsy dia havanana, aleo mandeha mora amin’iny lalam-pirenena faha 4 na RN 4 sy lalam-pirenena faha 6 na RN 6 iny, hoy ny fampitàm-baovaon’ireo avy nampiasa izany lalana izany omaly. Ny 20 aogositra teo, tokony teo anelanelan’ny tamin’ny 4 sasany hariva sy 7 ora hariva, anelanelan'Andriba sy Manerinerina, 4x4 na fiara tsy mataho-dalana Toyota niala lavaka no nivadika. Kamiao nanaraka sisin'ny tara na «goudron», mety niala ilay nifanena taminy, no nivadika ihany koa. Sprinter nifanena tamina kamiao, nivadika ihany koa, hoy hatrany ny tati-baovao voaray. Asa hoe nisy maty ve fa tsy afaka nijanona izahay, hoy ny fanazavàna. Efa misy mihira fivavahana ny olona niandry ny zandary teo, hoy ihany ny fanazavàn’ireto mpampiasa iny lalana iny ireto.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-août-2026

Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny

Card image cap