airtel

Fifamoivoizana

24-avril-2023

Fifamoivoizana

RN13 nanaovana velirano 114 amin’ny 493 km no amboarina

Sample post image

Nijery ny ambara fa fivoaran’ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-13 ny Filoha Andry Rajoelina ny sabotsy teo. Ity RN13 ity izay nanaovany fampanantenana fa tsy hanao politika intsony izy raha tsy vita io.

24-avril-2023

Efa hatrany amin’ny 2020 no nolazaina fa hanomboka ny asa, nitohy ny 2021,… saingy ny jona 2022 vao nandeha ny lanonana fametrahana vatofotra. Somary narisarisa ny firosoan’ny asa. Tsara ihany koa ny manamarika sy mampahatsiahy, fa misy endrika fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana ihany ny fanamboarana ny RN13 satria ny 30 novambra 2017 tany Abidjan Côte d'Ivoire , nandritra ny fihaonana an-tampony fahadimin'ny vondrona Afrikana sy Eoropeana no natao sonia ny famatsiam- bola hanamboarana ny RN6 ( Ambanja - Antsiranana ) sy ny RN13 (Ihosy - Tolagnaro). Famatsiam-bola hatrany amin'ny 235 tapitrisa Euro avy amin'ny BEI (Banque Européenne d'Investissement) sy ny UE (Union Européenne) no azo hanaovana ireo lalana ireo. Na izany aza, mirefy 493km ny RN13 saingy ny 114km mampitohy an'ny Taolagnaro sy Ambovombe ity resahin’ny Fanjakana ity. Nijery ny firosoan'ny asa fanamboarana teo amin'ny PK92 Manambaro sy PK68 ny tenany nandritra ny diany tao amin'ny Faritra Androy.. “Miroso hatrany ny asa fanamboarana ny RN13 mampitohy an'Ambovombe sy Taolagnaro izay efa velirano nataon'ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tamin'ny vahoaka no tsy maintsy hanamboarana izany”, hoy ny Fanjakana. Nohamafisin'ny Filoha Andry Rajoelina fa tsy maintsy miova ny tantaran'ny faritra Atsimon'ny Nosy amin'ireo fotodrafitrasa goavana napetraky ny Fitondram-panjakana ao an-toerana. Zava-dehibe ny fanamboarana saingy mbola baraingo hoe: rahoviana marina no ho vita mba tsy holalaovina hanaovana serasera sy fandokafan-tena lava? Ho vita ao anatin’ny 2 taona tokoa ve? Izay ny any Atsimo fa mby aiza ankehitriny ny Flyover etsy Ampasika sy Anosizato nambara fa hamahana ny olan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo? Mby aiza ilay “voie rapide” 10km efa nametrahana vatofototra tao Toamasina efa 4 taona eo izay?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

Card image cap
24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap