tsena anaty tambazotran-tserasera na «vente en ligne» itony manoloana ny tsy fisian’asa eto amin’ny firenena dia tena mbola mahavelon-taraina, hoy ny mpisehatra iray, ity saram-pifandraisana na «connexion» lafo dia lafo eto amin’ny firenena ity. Tsy ho an’ireo mpivarotra ihany izany fahasahiranana izany fa na ho an’ireo mpiantsena ihany koa. Na hanao fanentanàna amin’ny alalan’ny horonantsary na «live» 5 na 10 minitra fotsiny aza dia efa mampiferinaina ireo mpanjifa satria tsy misy mpanjifa hahavoy vola hijerena izany hatramin’ny farany loatra. Tena mamono ireo tsena anaty tambazotran-tserasera ilay saram-pifandraisana lafo, hoy hatrany ny fanazavàna, ka aiza ihany ny fepetra raisina momba ny fanararaotan’ireo mpandraharaha amin’izay fifandraisan-davitra izay?
Nangonin’i J. Mirija