tia tanindrazana

Parution du Lundi, 27 Mars 2023

airtel

Fifamoivoizana

Shell by pass – Ankadimbahoaka Ho tapaka mandritra ny 9 andro ny lalana

Hafotaka indray ny fitohanana miazo iny faritra Soanierana sy Tanjombato iny manomboka anio zoma 17 martsa maraina.

17-mars-2023

Sample post image

Raha araka ny fantatra mantsy dia ho tapaka manomboka anio ny lalana eo amin’ny Shell By Pass mampitohy an’Ankadimbahoaka sy ny By pass noho ny asa fanamboarana tsy maintsy hatao. Haharitra 9 andro izany ka amin’ny Alahady 26 Martsa ho avy izao vao hifarana tanteraka. Voatery miodina miazo an’i Tanjombato avokoa ireo fiara hamonjy ny lalam-pirenena fahafito noho izany sy ireo avy any amin’ny By pass sy Iavoloha mikasa hivoaka an’Ankadimbahoaka. Tsy misy hafa amin’izay koa ny tranga niainan’ireo mpampiasa lalana eny Ambodin’Isotry sy ny manodidina nanomboka omaly. Namboarina nanomboka omaly ihany koa mantsy ny lalana eny an-toerana ka voatery niodina teny Ampasika avokoa ireo taxibe toy ny 147… tokony hivoaka an’Antohomadinika. Toa tsy misy resaka kosa anefa ny lalana goakabe eny Ankasina 67 ha izay efa mahatelina fiara madinika iray mihitsy amin’ny ankapobeny raha tsy mitandrina. Mila miomana sy manamboatra ny ora hiainga ao an-tokantrano avokoa araka izany ny rehetra anio hisorohana ny rarintsaina mety aterak’izay fitohanana izay.
Nangonin’i Pati
Legende : Hoamboarina ny lalana ety amin’ny By pass
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mandraka – RN2 Fiara be nivadika, nanapaka ny fifamoivoizana
27-mars-2023

Nanapaka tanteraka ny fifamoivoizana teny amin’ny RN2 eny Mandraka indray ilay fiara « camion »

Voir plus