airtel

Fifamoivoizana

17-févr-2025

Soarano

Misy lavaka be mety hampidi-doza

Sample post image

Ankoatran’ilay tetsy Ambohijatovo mihazo an’Analakely lasa nantsoin’ny mpandalo hoe

17-févr-2025

lavaka mahagaga» dia misy lavaka be vaovao eo amin’ny 2 metatra eo indray ny velarany izao etsy Soarano, eo amin’ilay hihodina ho any Behoririka iny, raha ny hita nanomboka ny sabotsy teo. Eo alohan’ny Building Ramaroson, raha ny marimarina kokoa, no ahitàna azy io. Efa misy sakana napetraka ihany manodidina ilay lavaka saingy na izany aza dia heverina fa ilaina foana ny mitandrina. Mampametra-panontaniana ihany hoe dia tsy misy azo atao mihitsy ve mikasika ny fikojakojàna ny lalana eto Antananarivo na ny fanarenana sy fisorohana ny tsy hitrangàn’ny toy izao matetika intsony? Ny mahazo ny lalam-pirenena io iaraha-mahita isaky ny mivoaka ity renivohitry ny nosy ity. Ny eto Andrenivohitra koa mampiteny ny moana, hoy ny fomba fiteny izay.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE

Card image cap
19-mai-2025

Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV

Card image cap
19-mai-2025

Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.

Card image cap