airtel

Fifamoivoizana

23-févr-2024

Soso-kevitry ny MFM momba fanamboaran-dàlana

Efa hatramin’ny 1990, izao vao tonga eny an-tsofin’ny fitondrana

Sample post image

Efa hatramin’ny taona 1990 ny filoha mpanorina ny antoko politika MFM

23-févr-2024

na Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara, Itompokolahy Manandafy Rakotonirina, no nivoy ny filàna fanamboarana làlana mirefy 10.000km ao anatin’ny 5 taona, hoy ny fampahatsiahivan’ireo mpikatroka MFM omaly rehefa niara-nahita ny fanapahan-kevitra teo anivon’ny filankevitry ny minisitra. Izao vao tonga eny an-tsofin’ny fitondrana, araka izany, ny sosokevitra novoizin’ny antoko tamin’izany fotoana, hoy ireo mpikatroka. Araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra nivoaka ny alarobia 21 febroary teo moa dia hovitaina ato anatin'ny 5 taona izay lalana mirefy 10.000km izay. Ny mpanjaka sady tale misahana ny fampiasam-bola ao Abhu Dhabi, Ny Sheikh Hamen Bin Zayed Al Nahyan, moa no voalaza fa nangatahina ny fanampian’ny governemanta emirati, amin’ny alalan’ny fisitrahana ny vatsim-piandrianana na «Fonds souverain des Emirats Arabes Unis et ses retombées» hamatsy vola izany ambara ho tetikasam-pampandrosoana izany, raha ny voalaza hatrany. Novoizina anefa ny taona 2009 fa tsy azo hohanina ny lalana, raha toa ka teny filamatry ny fitondrana nahongan’izao fitondrana ankehitriny izao tamin’izany ny hoe «Tohizo ny lalantsika!».
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

Card image cap
13-mars-2025

Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona

Card image cap