airtel

Fifamoivoizana

06-mai-2026

TAKSIBE NAMPIASA SEZA HAZO

Tsy maintsy soloina,

Sample post image

nampidirina ambalam-pamonjana ilay fiara

06-mai-2026

Niely ny sary fa misy taxibe iray mampiasa seza hazo ho solon'ny seza araka ny fenitra eto amintsika. Fantatra taorian'ny fikarohana fa fiara fitateram-bahoaka ao Antsirabe ihany izy io. Nihetsika Antokon-draharaha misahana ny fitaterana ao Vakinankaratra sy ny Zandarimaria ao anatin'io Sampan-draharaha io noho izany. Tsy fanajana ny mpandeha sy tsy fanarahana ny bokin'andraikitra ary fametrahana ambavaloza ny mpandeha mantsy no hadisoana mifanaraka amin'izany. Nogiazana ny fiara tsy mahazo miasa mandra-pisolon'ny seza ara-dalàna izay tsy maintsy soloina. Notanana ambalan-tsazy ny fiara.Miverina manao fitsirihana indray eny amin'ny Centre de Securité Routière izy aorian'izany mba hamarinina sy hahitsy ny taratasin'ny fiara. Manentana ny mpandeha mba ho sarotiny amin'ny kalitaon'ny serivisy atolotry ny mpandraharaha fitaterana ny mpitandro ny filaminana. Manentana ny koperativa sy ny tompon'ny fiara ary ny mpamily sy ny mpanampy azy koa izy ireo mba hamaky sy hampahafantatra ary hanaja ny bokin'andraikitra izay tokony ho fantatry ny mpandraharaha ara-pitaterana rehetra.
Pati
Légende : Ity ilay taxibe nanao ny tsy ara-dalana !
 

Dans la même rubrique