airtel

Fifamoivoizana

09-sept-2026

Taksibe tra-doza

teny Ambohidahy 2 tamin’ireo olona 9

Sample post image

voafaoka sy voahitsaka maty

09-sept-2026

Nisehoana loza mahatsiravina teny amin’ny tionelina Ambohidahy omaly tolakandro, tokony ho tamin’ny 2 ora sy sasany teo. Taksibe zotra 186 avy any Analakely hiazo an’Anosy nifaoka olona maro. Miisa 9 no tena lasibatra, 2 namoy ny ainy, 6 mbola manaraka fitsaboana, ary 1 efa nalefa nody. Vao nitranga ny loza dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny manam-pahefana notarihin’ny Prefen’Antananarivo Atoa Maminjanahary Vonjy Andriasy, notronin’ny avy amin’ny Faritra Analamanga notarihin-dRtoa Clémence Raharinirina, ny avy amin’ny Polisim-pirenena, … Tena loza nahatsiravina, nanavatsava tany amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra ilay fiara fitateram-bahoaka. « Izaho teny ampita dia ity fiara ity tazako nandeha mafy, nitrongy olona maromaro, ny iray taraiky tao ambany kodiarana tao, ilay rangahy iray tery tao amin’ny kodiarana, tovovavy tsy haiko hoe andeha hiasa vaky be ny lohany,… », hoy ny lehilahy iray nanatri-maso. Tsy nisy ny aina nafoy teo ho eo, ary nezahana nentina namonjy hopitaly haingana ireo naratra, izay nisy ny tena voa mafy satria tao ny voahosy, nisy tery teo anelanelan’ny fiara sy ny rindrim-bato,... Vokatry ny ratra mafy nahazo azy anefa, dia namoy ny ainy ny olona roa tamin’ireo lasibatra. Ny mpamonjy voina na « sapeur pompier » iray SP2 Ravaojanahary Jean Jacques ny iray tamin’ireo lasibatra sy namoy ny ainy tao anatin’ity loza mahatsiravina ity, raha vehivavy vao erotrerony, vao 27 taona monja kosa ny iray hafa. Ny Fanjakana no hiantoka manontolo ny fitsaboana ireo maratra. Efa mandeha kosa ny fanadihadiana ka ho fantatra aorian'izay ny anton'ny nahatonga izao lozam-pifamoivoizana izao. Ny filazana vonjimaika dia voalaza fa tapaka hisatra ilay fiara, saingy misy ihany koa ny filazana fa tapaka « rotule » sy tsy ampy fanaraha-maso. Nentina nampidirina ambalam-pamonjana kosa ilay fiara nitera-doza, ary nogiazana ny taratasin’ny fiara sy ny fahazoan-dalana mamily ho an’ilay mpamily,... Raha ny voalaza fa fitsirihana voalohany omaly, anefa dia hoe : tsy tapaka hisatra ilay fiara ary tsy nisy olana ara- teknika ; salama tsara ihany koa ilay mpamily rehefa natao ny fizahana, tsy manana olana mety hahatonga loza tampoa. « Tratry ny tsy fidiny ny mpamily, ary tsy fanahy iniany fa dia asa izay nahatonga ny loza, nisy olona tavela tao ambany ary izy no niezaka naka azy tao », hoy ny fanamarihana hafa. Na izany aza, aina roa be izao no nafoy, misy ireo maratra mafy,…
MBOLA HISY FANADIHADIANA LALINA
Mbola hanao fanadihadiana sy fitsirihana lalina kokoa ny eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra mba hamaritana tsara izay tena mahatonga ny loza tahaka izao. Manamafy ny filàna fandrindrana sy fanaraha-maso hentitra ny lafiny fifamoivoizana sy fitaterana eto an-dRenivohitra ny tranga tahaka izao. Eo ny loza mety tsy ampoizina, fa maro ny mety endrika tsy fanajana lalàna, ny olana ara-mekanika, tsy fahamalinana, tsy fanajana ny hafa,… hany ka ny tsy manan-tsiny no lasibatra. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviana namoy havana isika, ary mirary fahasitranana ho an’ireo naratra isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-sept-2026

Maty tsy tra-drano izy roa

Card image cap