ny lalam-pirenena fahaenina, faharoa ary fahaefatra. Nanomboka omaly Talata 13 May no nisian’ny tabilao mampahafantatra izany ny mpandeha. Vokatry ny haratsian-dalana sy ny fiakaran’ny vidin-tsolika no voalaza ho antony nandraisan’ ireo koperativa voakasika izany fanapahan-kevitra izany. Ho an’ireo miazo ny distrikan’Ambanja ohatra dia lasa 100.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray raha 90.000 Ar teo aloha. Lasa 120.000 Ar kosa ny miazo an’Ambilobe raha 100.000 Ar teo aloha. Ho an’ireo taxi-brousse mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina dia lasa 40.000 Ar izany raha 35.000 Ar teo aloha. Lasa 70.000 Ar kosa ny miazo an’i Mahajanga raha 60.000 Ar teo aloha, saran-dalana vaovao hita teny amin’ny tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Nohamafisin’ireo mpamily sendra anay moa fa tsy fampiakarana no natao fa fanitsiana. Raha fampiakarana mantsy hoy izy ireo dia mety hahatratra hatrany amin’ny 40% mihitsy izany raha kely miampy ny halafosan’ny vidin’ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiarakodia izay miakatra andro aman’alina ihany koa. Mbola tsy fantatra mazava moa na anion a rahoviana no hihatra tanteraka io fanitsiana saran-dalana hataon’ireo mpitatitra mianavaratra io. Kivy moa ny ankamaroan’ireo mpandeha raha araka ny hita teny rehetra teny indrindra fa ireo mpanao varo-mandeha. Ho ripaka am-pitoerana eto ny vahoaka Malagasy hoy ny sasany raha mbola mitohy izao fidangan’ny vidim-piainana izao.
Pati
Legende : Tsy manaiky lembenana intsony koa ny taxi-brousse manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana !
Mpamily moto iray voalaza fa mamo no fantatra fa namono Ramatoa lehibe iray 73 taona
Mpitondra moto iray no namoy ny ainy vokatry ny loza nahazo azy ny Alahady 08 Jona