airtel

Fifamoivoizana

19-juin-2026

Tale Jeneralin’ny ACM

« Tsy hamelantsika ny

Sample post image

familiviliana ny afera Boeing 777 »

19-juin-2026

Milamina sy mizotra araka ny tokony ho izy ny fintantanana ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) na nisy aza ny safotofoto tany am-piandohana, hoy ny Tale Jeneraly Faniry Alban Rakotoarisoa omaly, raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny toe-draharaha ao anatin’io departemanta io sy ireo raharaha samihafa. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny mpiasa sy ny solontenan’ny mpiasa, fihaonana tamin’ny Minisitera, filazana ny zava-misy nahatonga disadisa na fanahiana tamin’ny mpiasa nanokafam-baravarana sy nanehoana fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Mbola manahirana kosa raha ny nambarany ny raharaha boeing 777 miisa 5, saingy efa manana « mandataire juridique » ny ACM ka io no manaraka sy manohy ny dosie izay misy ampahany any amin’ny minisiteran’ny fitaterana, Minisiteran’ny Fitsarana, PAC, Bianco,… « Amiko, misy tokoa ny fanahiana amin’ny mety hamiliana any amin’ny tsy izy ny fa tsy hamelantsika, tsy maintsy hotadiavintsika ny marina satria henatra ho an’ny Firenena, karazana tsilo anaty kiraro ho an’ny fitaterana an’habakabaka Malagasy, ho an’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny Malagasy iray manontolo », hoy Atoa Faniry Alban Rakotoarisoa. Manoloana ireo sivily sy olon-tsotra mbola any am-ponja, dia nambarany fa nisy fotoana efa nihaona tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny masoivoho Amerikanina satria Firenena 3 no voakasika farafahakeliny, fantatra rahateo ny firenena nisy ireo fiaramanidina, anisan’ny tompon’andraikitra ny masoivoho iray ary efa nisy fifampiresahana. Tsy mijanona eto amin’ny Repoblikan’i Madagasikara irery ny afera, raha ny fanamarihany. Nisy anefa ny fiatoana kely teto noho ny fiovan’ny Minisitry ny fitaterana, nisy fandaminana tao ary nisolo ny « mandataire juridique ». Miaiky kosa ny Tale Jeneralin’ny ACM fa tsy rariny ary tsy mendrika raha ny olona tokony hovoasazy indray no miriaria ary afaka mandeha, fa ireo izay heverina fa mpanatanteraka na trondro madinika no lasa mizaka ny sazy any am-ponja amin’izao fotoana izao. Tsara ny manamarika isan’ny voarohirohy amin’io afera io ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga. Tahaka izany ihany koa ny Tale Jeneralin’ny ACM teo aloha izay asa hoe : mbola any am-ponja sa efa tafavoaka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

19-juin-2026

miverina misokatra ny ENEAM

Card image cap