airtel

Fifamoivoizana

24-avril-2023

Fifamoivoizana

Taxi brousse nivadika Maro ireo tapa-tanana sy tapaka taolan-tratra

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Ampary, distrikan’i Soavinandriana afak’omaly sabotsy.

24-avril-2023

Taxi brousse iray sprinter feno olona hiakatra ho any Ampefy no nipotsaka tsindry hisatra tampoka ka nivadika ambony ambany. Vokany, olona am-polony no naratra mafy izay marihina fa zaza amam-behivavy ny ankamaroany. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nisy tamin’ireo zaza ireo no koaka be ny tarehiny. Nisy ny voatsindry ny tanany…Ho an’ireo olon-dehibe kosa indray dia maromaro ireo tapa-tanana sy tapaka taolan-tratra ka voatery nalefa notsaboina ao amin’ny hopitaliben’i Miarinarivo hatramin’ny afak’omaly sabotsy. Misy mihitsy moa ireo fantatra fa mety hakarina etsy amin’ny hopitaly HJRA Anosy noho fahavoazana mafy nahazo azy. Tsiahivina moa fa ny 80%-n’ny loza mitranga tahaka itony dia vokatry ny tsy fitandreman’ny mpamily avokoa. Ao ireo mamo eo am-pamiliana raha misy ihany koa ireo tratry ny torimaso fotsiny. Ny 20% ambiny kosa no avy amin’ny olana ara-teknika mety mahazo ilay fiara ka anisan’ireny ny tsy fanaraha-maso ny kipitsony rehetra momba azy mialohan’ny hiaingana….
Pati
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Manohy sy manamafy ny fanoherana ny fampadalovana izany «ligne téléphérique »

Card image cap
23-avril-2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

Card image cap