airtel

Fifamoivoizana

05-sept-2023

Teoerana fiandrasana taksibe

Sady ratsy lalana no tsy misy jiro ny etsy Andohan’Analakely

Sample post image

Saika matahotra ny ainy avokoa ireo mpiandry taksibe etsy Andohan’Analakely isan-kariva.

05-sept-2023

Sady maizin-kitroka tsy misy jiro manazava mantsy iny faritra iny no feno lavadavaka ihany koa ny lalana. Mitsapatsapa avokoa vokatr’izany ireo taxibe sy mpampiasa lalana rehetra raha vantany vao manomboka amin’ny 06 ora hariva raha toraka izay ihany koa ny mpandeha. Ho an’ireto farany manokana dia roa isan-kerinandro no voaendaka raha kely, raha araka ny fitarainana azo. Saika ireo mpiasa avy miasa avokoa mantsy no kendren’ireo mpanendaka, ireto farany izay tsy fantatra intsony na ireo mpatory an-dalana eny amin’iny faritra iny na olon-kafa mihitsy. Saika feno mpatory an-dalana daholo ihany koa mantsy ireo tobim-piantsonana eto an-drenivohitra ka misy ireo tsy miala amin’izany toerana izany mihitsy manomboka maraina mandrapaharivan’ny andro raha misy ihany koa ireo mitsangana mandeha mangataka sy mitady sakafo. Antso avo araka izany no hataon’ireo mpiandry taksibe eny Analakely sy ny manodidina amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra mba handray ny andraikiny. Diso be loatra mantsy ireo karazana foto-drafitrasa iankinan’ny aim-bahoaka ilana fikarakarana nefa toa jerijeren’ny kaominina fotsiny.
Pati
Legende : Feno olona tsy manan-kialofana tahaka izao koa eny amin’ireo tobim-piantsonana sasany eny Analakely !
 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Raha misy zavatra tena isan’ny mampikolay ny olom-pirenena saika manerana ny Nosy

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any

Card image cap
24-juil-2024

Tafakatra 1.600 isa isan’andro efa ho herinandro izao ireo olona mivoaka any amin’ny faritra

Card image cap