airtel

Fifamoivoizana

12-avril-2024

TETIKASA TELEFERIKA

Atahoran’ny olona ilay « cable » sy « cabine »…

Sample post image

Efa miroso amin'ny andrana teknika ankehitriny ireo tompon'andraikitry ny asa momba ilay tetikasa

12-avril-2024

Teleferika eto an-drenivohitra voalaza fa ho enti-miady amin’ny fitohanana etsy sy eroa. Efa madiva hifarana ny asa fanamboarana toy ny fametahana cable. Efa vita ny épissure na ny fanenjanana ny cable hoy ny vaovao azo omaly. Amin'izao indray dia mametaka ireo fibre optique ny orinasa mpanao izany. Tsy io hitan'ny maso amin’izao io anefa no cabine tokony ho izy sy ny hafainganam- pandeha fa cabine de service na cabine hoenti-miasa manatanteraka ireo asa rehetra tokony atao eny ambony eny fotsiny izy io, hoy hatrany ny ilay vaovao. Betsaka amin’ireo mponina sahady mantsy no mihorohoro rehefa sendra mitazana izany miakatra ambony ny maso eny Anosy eny. Nambaran’ny tompon’andraikitra fa isaky ny misy asa hafa tsy maintsy hatao eny ambony eny dia hampiasaina io cabine de service io. Ankoatra ilay cabine moa dia marobe koa ireo mpanjifa matahotra ilay cable noho ity farany heverina fa manify dia manify nefa hilanja ilay cabine sy hitatitra olona betsaka isan’andro.
Pati
Legende : Hiasa tsy ho ela ny teleferika !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Inona mihitsy no tsy milamina ao Ambatofolaka, Soamahamanina ao, hoy ny mponina any an-toerana

Card image cap
26-avril-2024

Vao mifoha maraina handeha hianatra na handeha hiasa, vao mahita fiara manatroka be, ombin-tsarety,

Card image cap
26-avril-2024

Mihabetsaka indray ireo olona manaha vary eny amin’ny lalam-pirenena amin’izao

Card image cap