Teo am-pisavana ny taratasin'ny fiara ilay polisy no nodarohan'ilay mpamily noho ny hatezerany. Rehefa avy nidaroka izy dia lasa nandositra. Nokarohina ilay mpamily ka afak’omaly 08 jolay no tonga nitono-tena tao amin'ny Kaomisaria ity farany. Natao ny fanadihadiana ary natolotra ny fampanoavana ny raharaha ka nidoboka am-ponja vonjimaika io mpamily io. Mampahatsiahy moa ny polisim-pirenena fa voararan'ny lalàna ny mikasi-tanana mpitandro filaminana eo am-panatanterahana ny asany na iza na aiza.
Pati
Legende : Ity ilay mpamily nikasi-tanana polisy tao Toamasina !
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»