Ho ampiasana ary hiasa mialohan'ny 26 Jona ho avy izao ny tobim-piantsonana "Fisandratana" etsy Amoronakona hoy ny Ministry ny fitaterana, omaly. Ny zotra miasa amin'ny lalam-pirenena faha-7 sy ny faha-2 no hampiasa izany.Tsy misy afa-tsy ny fanadiovana no hatao eny an-toerana mialohan'izany. Mbola azo hampiasana tsara mantsy ny foto-drafitrasa. Folo taona no efa vita ny tobim-piantsonana Fisandratana raha tsiahivina fa noho ny tsy fisian'ny fifanarahana matotra teo amin'ny orinasa Jovena dia izao vao niroso ta fifampiresahana ny Fitondram-panjakana sy ity ivon-toeram-puvarotan-tsolika iray ity. Ireo hiazo ny lalam-pirenena faharoa no tena hahazo tombony noho izany. Afaka amin'ny itohanana mivoaka eto an-drenivohitra mantsy izy ireo izay maharitra ora iray raha kely toy ny mivoaka eny Ambodivoina. Efa samy miomankomana amin'ny fifindrana avokoa araka izany ireo voakasika. Misy ireo faly sy mankasitraka raha misy koa ireo manana olana, raha araka ny fanadihadiana natao.
Pati
Légende : Hiasa amin'izay ity tobim-piantsonana Fisandratana eny Amoronakona ity !