airtel

Fifamoivoizana

17-oct-2022

Fifamoivoizana

Tobin-tsolika Misy tsy azo itokisana intsony

Sample post image

Hatramin’ny fotoana nampahoraka ny raharaha solika mitapoka dia tsikaritra ho maro ihany koa ankehitriny ireo

17-oct-2022

mpanjifa amina tobin-tsolika no velon-taraina manoloana ny hafitsok’izy ireny rehefa miantsona haka lasantsy na solika eo aminy ireo mpanjifa sy ny fiarany. Araka ny nambaran’ny renim-pianakaviana iray dia lasantsy mitentina 40.000 Ariary, izany hoe, tokony ho 6,89 litatra no novidiany tamina tobin-tsolika iray ny sabotsy teo kanefa dia saika tsy tafody izy ireo rehefa avy nanatitra olona tamina kilaometatra vitsy monja. Efa tsy azo itokisana intsony, hoy ity renim-pianakaviana ity, ankehitriny ny tobin-tsolika eto Madagasikara fa dia aleo mailo hatrany. Tsy hay intsony na efa hain-drizalahy hatramin’ny manodina io tabilao famaran-tsolika io, hoy kosa ny mpamily iray, fa dia aleo mitondra zerikanina na “bidon” hatrany rehefa hanjifa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE

Card image cap
19-mai-2025

Mijoro manomboka anio alatsinainy 19 may 2025 ny antsoina hoe Gasy MRV

Card image cap
19-mai-2025

Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.

Card image cap