MS Iharana no anaran’izy io, sambo mampitohy an'i Toamasina sy Tolagnaro. Tafahitsoka any amin’ny 200 m eo amoron-tsirak' i Amparihy any Firt-Dauphin na Tolagnaro ity sambo ity raha ny vaovao azo omaly Alatsinainy hariva. Miisa 32 ny olona tao anatiny ka ny 11 tamin'ireo no efa afaka tao anatiny raha olona iray kosa no tsy hita popoka izay ahiana ho nanavo-tena koa kinanjo nafoiny hatramin’ny ainy. Hatramin’ny omaly hariva dia mbola tsy nahomby avokoa ny ezaka rehetra nanavotana ireo olona 21 ambiny. Ratsy dia ratsy mantsy ny toetr’andro any an-toerana no sady mahery vaika ny onja. Efa nidina ifotony nijery akaiky izao tranga izao ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny any amin’iny distrikan’i Tolagnary iny .
Nangonin’i Pati
Kodiaran-droa na moto miisa 6 no nampidirina am-balam-pamonjana na «fourrière»