airtel

Fifamoivoizana

28-juil-2026

Tompon-dakana

ao Toamasina Mitaky ny fanokafana

Sample post image

ny lakandranon’i Pangalana

28-juil-2026

Nitokona ireo mpitondra sy tompon-dakana lehibe mpitatitra entana, manao zotra amin'ny lakandranon'i Pangalana, Toamasina – Mananjary, noho ny fahatsentsenan'ny lakandrano, hoy ny fampitàm-baovao voaray omaly. Araka ny nambaran'izy ireo, nitombo ny fotoana lany sy ny fandaniana amin'ny dia. Raha 5 andro izany teo aloha dia efa ho tapa-bolana izany farafahakeliny amin'izao fotoana izao. Ankoatran'izany, voatery mandoa 100.000 Ariary fara fahakeliny izy ireo, hanakaramaina olona amin'ireo faritra tsentsina. Eo koa ny vola tsy maintsy aloa amin'ny APMF na ny sampan-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina, mitentina 80.000 Ariary isaky ny lakana sy ireo vola hafa aloa amin'ireo sakana eny an-dalana. Hetsika fanairana ity fitokonana ity ary hitohy izany raha tsy misy ny vahaolana, hoy hatrany ny fanazavàna. Miantso ny fitondràm-panjakàna sy ireo tomponandraikitra voakasika ireto tompon-dakana ireto mba handray fepetra maika amin'ny fanadiovana sy fanarenana ny lakandranon'i Pangalanina ao anatin'ny 72 ora, izany hoe 48 ora sisa, mba hiverenan'ny fivezivezen'ny lakana amin'ny laoniny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

ny 80-90%n’ny kaoperativa

Card image cap
16-sept-2026

Tsy mihemotra ny Fanjakana !

Card image cap
16-sept-2026

Niteraka fifandonana sy faty olona, 16 voasambotra

Card image cap
16-sept-2026

Hosorahana sy voarara tanteraka ny gaboraraka

Card image cap