airtel

Fifamoivoizana

30-juil-2026

TSARAMASAY

Zaza 2 taona voahitsaky

Sample post image

ny fiara, nipotsaka ny atidohany

30-juil-2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina omaly Alarobia 29 Jolay atoandro teny Tsaramasay Ankorondrano. Zazalahy kely iray vao 2 taona monja nitsoriaka niampita ny arabe no voafaokan'ny fiara iray nandeha mafy. Avy any amin'ny ankavian-dalana io zaza io no voadona raha araka ny vaovao voaray. Nitsahin'ny kodiarana avy any an-kavanana izy vokatr'izany hoy ireo nanatri-maso. Maty teo no ho eo moa ilay zaza ary nipotsaka niparitaka tamin’ny arabe ny atidohany. Horakorako ny an'ny manodidina nahita ity tranga mampalahelo ity. Raha araka ny fantatra dia zanak'ireo mponina eny an-toerana ity zaza maty ity izay voalaza ho mpivarotra ny Ray aman-dReniny. Efa nentina eny anivon'ny polisim-pirenena ireo Ray aman-dReniny sy ny mpamily ilay fiara toarian'ny loza nitranga. Tsiahivina fa andraikitry ny Ray aman-dReny ny miaro ny zanany mbola kely tahaka ireny. Tafiditra ao anatin''izany ny arabe lalovan'ny fiara, ny lava-drano, ny tohatra... Mety hampigadra enim-bolana an-trano maïzina no mihoatra ny tsy fandraisana andraikitra hataon'ny Ray aman-dReny tahaka izany hoy ny mpanao lalana iray na dia efa nafoiny aza ilay menaky ny ainy.
Nangonin'i Pati
Légende : Teto no nahafaty ilay zaza !
 

Dans la même rubrique

31-juil-2026

Miantso ny vahoakan'Atsimondrano hanam-paharetana

Card image cap