Nanamafy ny fanambiny hanatratra ny famerenana ny Air Madagascar, kaompania nasionaly isan’ny reharehan’ny Malagasy sy nanana ny toerany taty Afrika sy eran-tany saingy potika sy novonoina tamin’ny tamin’ny fitondran’ny volomboasary ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines Atoa Rado Rabarilalala. « Amin’ny maha mpanamory, dia Air Madagascar no nanofana, ka tanjoko ny tsy maintsy hamerina ny Air Madagascar ao anatin’ny fe-potoana nifanarahana. Tokony ho tratra amin’ny faran’ny oktobra 2026 », hoy Atoa Rado Rabarilala. Hatreto, manana ATR 5 isika, manana tetikasa Boeing 737-700 amin’ny tapaky ny novambra 2026 hanaovana ny zotra rejionaly, ary hanana Boeing 777 hanao ny sidina ivelany, manomboka ny tapaky ny novambra 2026, araka ny nambarany. Mikasika ireo fiaramadinidina simba efa tsy mihetsika, dia efa lasa fatapera ny Airbus izay mampalahelo, hoy ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines nampahatsiahy, fa ireny no isan’ny naha voaroaka ny tenany tao amin’ny Air Madagascar. Misy Boeing 737 iray sy Twin Otter 3, ka eo am-pandinihana ny hamerenana azy satria lafo dia lafo ny sarany, hany ka mbola anaty fijerena lalina ny kaompania na ny famerenana azy no haingana na ny fanofana vaovao. Betsaka ny fahapotehana teo anivon’ny kaompania, saingy tsy afaka hijanona eo fa miroso sy manafaingana ny fanarenana sy ny fahaiza-manao. « Hatreto isika, ny Air Madagascar dia nahavita « maintenance » na fikojakojana boeing « check A » hatramin’ny « Check D » izany hoe manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany, nanana ny fitaovana rehetra isika, manana ny fahaiza-manao. Amin’ny ATR ihany koa dia misy « Check » izay vitantsika », hoy ny fanazavany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia lasa very izay, ka lasa azo lazaina ho niankin-doha betsaka tamin’ny vazaha. « Izao anefa dia haverina izany rehetra izany, ka hanamboatra ivon-toeram-pikojakojana na « centre de maintenance » izay hiverina ho rantsana na « filiale » an’ny kaompania hiantsehatra amin’ny fikojakojana ireo fiaramanidina na eto Afrika na ny ranomasina Indianina », hoy ny Tale Jeneralin’ny Madagascar Airlines nanamafy ny fanamby hamerina amin’ny toerany ny Kaompania Malagasy, ka anisan’ny zava-dehibe ny famolavolana ireo tanora amin’ny alalan’ilay lalam-piofanana « aéronautique » iarahana amin’ny METFP. « Ny tanora voahofana dia antoka handrosoan’ny Firenena, ary anatin’ny finiavana ho mpandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana ny Firenena, hizarana ny traikefa sy fahaiza-manao amin’ny taranaka », hoy Atoa Rado Rabarilala. Tsiahivina fa isan’ny nahafantarana an’i Rado Rabarilala ny tolona sendikaly, indrindra ny naha saro-piaro azy tamin’ny kaompania Air Madagascar, ary efa voahenjika mafy tamin’izany. Isan’ireo mpanamory Malagasy sangany, ka raha tsiahivina dia ny tenany no isan’ny nanamory ny fiaramanidina nitondra ny Papa François tamin’ny fitsidihany an’i Madagasikara ny septambra 2019.
Toky R