airtel

Fifamoivoizana

10-oct-2024

VOKATRY NY FITOHANANA ETSY BEL’AIR

Zara raha mitondra 5.000 Ar mody sisa ny taksibe

Sample post image

Tsy misy izay tsy mikaikaika ny amin’ny fitohanana lavareny ateraky ny asa fanamboaran-dalana etsy Bel’Air,

10-oct-2024

Kaominina Antananarivo renivohitra ireo taxi-be mampiasa iny lalana iny. Raha ora iray mandroso mantsy no lanin’izy ireo teo aloha raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray dia lasa ora roa sy sasany izany amin’izao. Vokany, tsy mitondra afa-tsy 5.000 Ar mody sisa ny mpamily sy ny mpanampy azy hialan’ny volan’ny mpampiasa. Mihena ihany koa mantsy ny mpandeha raha araka ny fanazavan’ity mpamily ity hatrany. Aleon’ny olona mifoha marainabe dia mandeha dia an-tongotra miala ny fotoana lany amin’ny fitohanana raha misy koa ireo mandeha taxi-moto ho an’ireo manana fahafahana ny hanao izany. Nomarihin’ity mpamily taksibe iray ity hatrany moa fa nisy tamin’ireo naman’izy ireo no efa noroahin’ny mpampiasa azy fa tsy nahafeno ilay 70.000 Ar henjehina isan’andro. 50.000 Ar ihany mantsy no tratrany vokatr’izay fitohanana lavareny izay.
Pati
Legende : Anisan’ny tena miaina io fitohanana io ireo taksibe mandalo eto Antanimena !
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Saika miakatra amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra avokoa amin’izao ireo mpamily

Card image cap
13-mars-2025

Filaharana lava be, ankisisika, fifanosehana. Izay foana isan’andro no iainan’iroe olona

Card image cap