airtel

Fifamoivoizana

05-mars-2024

Volan’ny « Fonds Routier » nanjavona…

Tratry ny kolikolim-panjakana sy maso be tsy mahita koa ?

Sample post image

Raha misy sehatra tena mampikolay ny vahoaka saika manerana

05-mars-2024

ny Nosy dia ny fahapotehan’ny làlana. Na aiza na aiza aleha, tapitra potika, raha tsy hilaza afatsy ny RN 2, RN4, RN6,… Tena misy fa tsy fitia te hanakiana sy hitsikera ny hoe : lalana natao 48ora tany aloha, dia atao herinandro amin’izao fotoana izao ; làlana vita adin’ny enina, lasa atao ao anatin’ny 13 ora,... Vely kanota ho an’ny fitondrana iny fanambarana sy fanehoan-kevitra nataon’ny Ambasadaoron’ny Vondrona Eoropeanina iny, izay toa nanakiana mafy ny tsy fangaraharan’ny fitantanana ny volan’ny FR (Fonds Routier), tsy fisian’ny fikojakojana làlana vokatr’izany, fahapotehan’ny làlana ao anatin’ny 5 taona raha tokony haharitra 5 taona,… hany ka kivy ny mpamatsy vola satria volabe an-tapitrisany dolara no atontona amin’ny fanamboaran-dàlana. Nahoana no tsy nisy na tompon’andraikitra ara-panjakana iray nahasahy nijoro sy nilaza nanazava momba io toe-javatra io hoe : nankaiza marina ny volan’ny FR ? Nanjavona toy ny volamena 46kg nivadika vy izay isan’ny kolikolim-panjakana tsy hita tao anatin’ny 60 taona ? Nisy nalefa tany amin’ny Jirama tokoa ve ? Nanjavona sy navily lalan-kafa tokoa ve ny 570 miliara Ar na mety mihoatra an’izany ? Efa tany amin’ny 2 na 3 taona lasa no adihevitra ny volan’ny FR, nandadilady tamin’ny Fanjakana ireo orinasa malagasy nisehatra tamin’ny asa vaventy noho ny tsy fandoavana ny volany, hany ka betsaka no mety fay tsy nety nanao asa fikojakojana intsony, dia io no vokany. Ny adihevitra momba ny lalàna mikasika ny mpanolana izay nanehoan’ilay Ambasadaoro ny heviny ho tsy mifanaraka amin’ny zon’olombelona, dia minisitra telo be izao no nisesy niteny niditra an-tsehatra ary tonga hatramin’ny fampanantsoana ilay diplaomaty. Ny fahapotehan’ny làlana dia midika fitomboan’ny fandanian-tsolika izany hoe : mitombo ny vola miditra amin’ny FR fa tena nampiasaina araka ny tokony ho izy ve ? Miantraika tanteraka amin’ny toekarena io satria rehefa potika ny làlana, dia mitombo ny mason-karenan’ny fitaterana, mitombo ny saran-dàlana, tsy tafiditra ny entana, tsy tafavoaka ny vokatra,…

RONONO AN-TAVY…
Io ny resaka fitantanana ny volan’ny FR izay betsaka ny ahiahy, fa azo lazaina ho tandindon’ny fitantanana ny firenena, taratry ny faharavan’i Madagasikara ny fahapotehan’ny làlana. Ny ankampobeny izany, fa raha hiditra pitsopitsony, ohatra, dia tsy tena mazava intsony ny tohin’ny fanatanterahana ny « Autoroute » izay nambara fa efa nanaokana 301 miliara Ar tao amin’ny tetibolam-panjakana satria 80km no nambara fa hovitaina hatramin’ny desambra 2023 teo. Firy kilaometatra izao no vitan’ny Samcret izay efa nanaovana serasera tamin’ny tambajotran-tserasera hoe : ireny fitaovana goavana ? Firy kilaometatra ihany koa no vita tamin’ilay « voie rapide » 10km ao Toamasina nametrahana vato fototra efa 5 taona lasa ? Tahaka izany koa ny «Autoroute » makany Imeritsiatosika ? Raha hamapahatsiahy kely, ny oktobra 2022 nandritra ny Choiseul Africa Business Forum tany Casablanca Maroc, nambaran’Atoa Andry Rajoelina, fa tanjon'ny fitondrana tarihiny ny hanamboatra lalana 6 800-10 000km manerana ny Nosy, ato anatin’ny enin-taona, mba hampitombo ny fivezivezen’ny olona sy ny entana. Ny eo aza tapitra potika sy tsy voakojakojaka ka tena azo inoana ve izany ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Mirongatra sy mahazo vahana ny lozam-pifamoivoizana eto amintsika.

Card image cap
15-mai-2024

Tranga roa samihafa no niseho teto amintsika Omaly Talata 14 May mikasika ny tsy fanarahan-dalana

Card image cap