airtel

Fifamoivoizana

13-févr-2023

Fifamoivoizana

Zava-doza teny Ankadindratombo Nanitsak’olona ny kamiaon’ny “Projet Présidentiel”

Sample post image

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray tetsy Ankadindratombo-Alasora na eo amin’ny Domaine Alasora no ahalalan’ny besinimaro azy.

13-févr-2023

Kamio lehibe mpitaona ranon-tany voalaza fa nandeha mafy no tapaka hisatra ka nandona andrin-jiron’ny Jirama sy nanitsaka olona miisa 3 niandry taksibe teo an-toerana io omaly alahady 12 febroary 2023 tokony ho tamin’ny 8ora maraina. Tapaka hatramin’ilay andrin-jiro kanefa ireny “béton” matevina ireny, izay manaporofo tena nandeha mafy ilay fiara, sady mavesatra rahateo. Samy naratra mafy, avokoa ireo olona miisa 3 izay voahosy, ary niraikitra tao ambanin’ny kodiarana, ary sarotra ny nanala azy ireo satria feno tany ilay kamio. Noho izy io sady mavesatra no nisaringotra tamin'ny andrin-jiron'ny Jirama dia noesorina ny rivotry ny kodiarana, avy eo nohangadiana, ary nisy olon-tsotra koa nanolotra “grue” na ireny fiara lehibe arifomba afahana mibata sy manainga fiara na zavatra mavesatra ireny, ka nahafana nanala ireo olona telo tao. Samy nentina namonjy hopitaly izy ireo, izay miady mafy amin’ny ratra nateraky ny tsindry nataon’ity fiara be ity. Heverina fa isan’ny fositra ny olana ara-teknika na tsy fitandremana niainga avy amin’ilay fiara. Efa malaza ratsy amin’ny fandehanana mafy sy ny tsy firaharahiana ny hafa ihany koa ireo fiarabe mpitaona tany sasany, tahaka ireo maka tany eny Fiadanamanga, raha ny famarihana. Tsy hanao fanahy iniana handratra sy hamono olona, kanefa mety maro ihany koa ny tsirambina nahatonga ny loza. Miasa ho an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenana na “Projet Présidentiel” ity kamio nitatitra tany ity, raha ny soratra na takelaka nipetraka taminy. Raha ny fahafantarana azy, voarara ny fanotorana tany eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina, ary tany amin’ny 30 novambra 2021 no nifarana izany. Mety misy ihany ny mahazo fahazoan-dàlana manokana, fa isan’ny mahagaga ihany koa ity hoe: “Projet Présidentiel” lava ity. Inona no tetikasan’ny Filoham-pirenena hanaovana fanotorana eny Alasora satria betsaka ny fanotorana eny amin’iny faritra By Pass iny? Tahaka izany ihany koa etsy Andranomena, raha ny fanamarihana. Tena an’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena tokoa ve ireny soratra amin’ny kamio ireny sa fisandohana hoenti-miala ny fanakanana ataon’ny mpitandro filaminana ka na fiara efa misy olana ara-teknika aza tsy olana ankoatra ny fanotorana tsy ara-dalàna? Sa misy olona mahitahita ao anaty fitondrana manome alalana sy manao fitaovana hitadiavam-bola amin’izany? Andrasana izay mety ho fanazavana ary tokony hizaka ny saziny izay tompon’antoka rehetra tamin’izao zava-doza izao!
Toky R
 

Dans la même rubrique