airtel

Finoana

20-avril-2026

Alahadin’ny taraka

FJKM RASALAMA MANJAKARAY

Sample post image

Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy ? »

20-avril-2026

Toy ny fanaony isan-taona dia nanatanteraka ny Fetin'ny taranaka ny FJKM Manjakaray Rasalama Maritiora. Nifanindry an-dalana indrindra tamin'ny fotoana nitondrana am-bavaka ireo mpiasan'ny Synodam-paritany Iarivo Avaradrano izany tao anatin'ilay loha-hevitra hoe : Taranaka voafidy isika, fanjakam-pisorona...Iza no hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'i Kristy ?. Raha vao mijery ny olantsika isika dia resy fa tsy mijery ny fitiavan'i Kristy. Ireo no novoabohasan'ny mpanompon'Andriamanitra nentina nampaherezana ny mpino tao anatin'ny toriteniny, izay tena nanetsika ny fon'ny rehetra tokoa. In-droa miatoana ny fotoam-pivavahana nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra omaly Alahady 19 Aprily. Nanomboka tamin'ny 06 ora sy sasany maraina ny fidirana voalohany. Nitohy tamin'ny 09 ora sy sasany izany ary nifarana tamin'ny 12 ora atoandro teo ho eo. Nampiavaka ity fotoam-pivavahana ity ny fitondrana am-bavaka manokana ireo taranaka efa nodimandry. Toraka izany koa ny fanaovam-batisa fitsofan-drano ny ankizy madinika narahin'ny fandraisana ny fanasan'i Tompo. Fantatra moa fa hikarakara fitsangatsanganana ho an'ireo mpino rehetra ao aminy ny fiangonana FJKM Manjakaray amin'ny Alatsinain'ny Pentekosta ho avy izao. Eny amin'ny Espace Imaho Avaradrano no hanaovana izany ka 3500 Ar isan'olona ny saram-pidirana.
Pati
 

Dans la même rubrique