Taorian'ny Fiangonana Vahao ny Oloko dia naneho ny heriny tetsy amin'ny Coliseum Antsonjombe ihany koa ry zareo avy amin'ny Fiangonana zandriny Pantekotista Mitambatra afak'omaly Sabotsy 22 Aogositra. Fotoam-pivavahana lehibe nokarakarain’ny FPMM (Fiangonana Pantekotista Mitambatra eto Madagasikara ) izy io, haharitra 3 andro. Nisy nandritra izany ireo vahiny mpitarika avy any ivelany tonga nitarika sy nampivondrona ireo mpino avy amin'ny lafy valon'ny Nosy. Nahatratra an'arivony izy ireo araka izany koa na ireo fiara fitateram-bahoaka niasa teny an-toerana aza saika tsy naharaka. Toraka izany koa ireo mpivarotra hani-masaka sy fahana amin'ny finday. Anisan'ny tena nandrasan'ny maro moa ny fahatongavan'ny solontenan'ny mpitondra teny an-toerana saingy tsy nisy toy ny tamin'ny fotoam-pivavahana notontosain'ny Fiangonana Apokalipsy sy ny Vahao ny oloko izany.
Nangonin'i Pati