airtel

Finoana

22-juin-2026

Andron'ny Baiboly

"Mifampiankina ny taratasy

Sample post image

sy ny nomerika"

22-juin-2026

Tontosa omaly tetsy amin'ny FJKM Tranovato Ambatonakanga ny fanamarihana ny andron'ny Baiboly na ny datin'ny 21 jona. Nankalazaina niaraka tamin'izay koa ny ivon'ny faha 200 taonan'ny trano printy voalohany teto Madagasikara, izay an'ny Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM ihany. Eo koa ny faha 191 taonan'ny Baiboly malagasy. Tantara tena mifampiankina teo amin'ny fidiran'ny Kristianisma teto Madagasikara ireo, hoy ny fanazavana. Manoloana ny firoborobon'ny tekinolojia sy ny nomerika amin'izao fotoana izao ihany koa dia tsara ny manamarika fa tena mifampiankina ny taratasy sy ny nomerika satria izay voarakitra an-taratasy ihany no narafitra ho voavaky amin'ny tekinolojia ankehitriny. Ny teny ao amin'ny Baiboly, ao amin'ny Isaia 33:8 manao hoe "Soraty amin'ny taratasy mba haharitra!" moa no teny filamatry ny trano printy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

9 volana eo izay no nitsanganan’ity

Card image cap