Voavadika amin'ny fiteny Betsimisaraka tapany Avaratra ihany koa ny Baiboly Malagasy. Ity no famadihana amin'ny fitenim-paritra fahaefatra, raha efa vita sady nisantarana izany ny fiteny Betsileo. Efa nahazo ny anjarany koa ny foko Tsimihety. Tetikasan'ny Fiangonana FJKM Ambohipo izy io, manana tanjona hamadika ny Baiboly amin'ny fitenim-paritra rehetra mba hahazoan'ny isan-tokantrano misitraka ny tombontsoa azo avy amin'izany. Tao amin'ny Fiangonana FJKM Tranovato Famonjena Antalaha no nanolorana izany tamim-pomba ofisialy afak'omaly Sabotsy 08 Aogositra. Tonga nanatrika sy nanome voninahitra ny lanonana ny Mpanolontsaina avon'ny Fanaovana ny kolonely Gervais Andriamiaritsoa sy ireo delegasiona notarihiny. Nivoitra nandritra ny fandraisam-pitenenana nataony ny fiantsoana ny Malagasy rehetra mba hitrotro am-bavaka ny firenena. Ny hazavana entin'ny tenin'Andriamanitra hoy izy no hahafahana mandresy ny haizina eto amin'ny firenena. Tsiahivina moa fa ny Bokin’i Jaona manontolo no efa vita ny fandikana azy amin’ny fiteny Betsimisaraka Avaratra. Hitohy araka izany ny asa, haharitra 12 volana any ho any.
Pati
Légende : Nisandratra teto ny vavaka nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra !