airtel

Finoana

17-juil-2026

Faha-90 taonan'ny

Tily Sampana mavo sy mena

Sample post image

Mpikatroka 5500 no andrasana any Moramanga

17-juil-2026

Hankalaza ny faha 90 taona amin’ny alalan’ny fotoan-dehibe ao Moramanga Tily Sampana Mavo (Louveteaux) sy ny Sampana mena (Routiers) ny 1 hatramin’ny 5 aogositra 2026, izay ahitana mpikatroka an'arivony avy amin’ny faritra rehetra eran'ny Nosy,raha ny fampitam-baovao avy amin'ny mpikarakara. Ity fankalazana ity dia manamarika ny tantara sy ny fivoaran’ireo sampana sampana roa lehibe ireo. Ny Sampana mavo dia ankizy 6 hatramin’ny 11 taona, mandray ny dingana voalohany amin’ny fiainana skoto. Ny Sampana mena kosa dia tanora 17 hatramin’ny 19 taona, miomana amin’ny andraikitra sy ny fiainana olon dehibe. Ny fankalazana dia manambara fa efa 90 taona ny Tily eto Madagasikara no nanabe sy nitarika tanora amin’ny soatoavina. Soatoavina fototra ny fitiavana an’Andriamanitra, ny fanompoana ny Tanindrazana, ny firahalahiana ary ny fanajana ny Lalàn’ny Skoto. Mandritra ny fankalazana, hifamory amin’ny toerana 32 hektara ao Moramanga ny Sampana mavo, izay mihoatra ny 4 800 no handray anjara amin’izany, ka 3 800 dia ankizy. 689 no ho mpitarika, 126 no ho komisera isaky ny distrika sy nasionaly. 134 no ray aman dreny sy mpikambana taloha, ary 75 no vahiny. Mifototra amin’ny lalao sy ny asa ny fianarana hatao, ka ny tantara “Livre de la Jungle” nosoratan’i Rudyard Kipling no fototra ara pedagogika. Mowgli, ilay zazalahy ao anaty ala, no modely entina hanabeazana. Rehefa 12 taona moa dia miditra amin’ny Sampana Maitso ny ankizy. Ny Sampana mena kosa dia hifampivory amin’ny toerana 14 hektara. 700 tanora sy mpitarika no handray anjara amin’izany. Mianatra fitarihana, fiainana anaty ekipa, ary tetikasa. Ny Lalàn’ny Skoto sy ny "Alliance scoute" no fototra iankinan’ny fianarana. Tanjona ny hanabe tanora ho olom pirenena tompon’andraikitra. Ny fankalazana dia mampiray ny sampana roa amin’ny foto kevitra iray: ny fanabeazana amin’ny asa. Aorian’ny any Moramanga dia hisy ny "FIFITI" na Fihaonan'ny Filoha Tily ao Vohitsara, Toamasina, ny 9 hatramin’ny 11 aogositra 2026. "Forum" na atrikasa hanohy ny fandinihana sy ny fanapahan kevitra ho an’ny Tily eto Madagasikara.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

9 volana eo izay no nitsanganan’ity

Card image cap