airtel

Finoana

11-avril-2024

Fanamarihana ny « Eid El Fitr»

Naneho ny hafaliany ny mpino silamo

Sample post image

Nanamarika ny andron'ny hafaliana na « Eid El Fitr » na ihany koa :

11-avril-2024

hoe fetin'ny famahana taorian'ny 30 andron'ny fifehezam-bava ny mpino silamo maneran-tany, ka anisan’izany ny teto Madagasikara. Famaranana ny volana ramadany io, fotoanan'ny fifampiarahabana, famangiana, ary fizarana mofomamy ho an'ny mpiaramonina, havana, namana eo amin'ny mpino silamo ny fotoana toy izao. Nananamarika io fotoan-dehibe ihany koa ny mpino silamo teto Madagasikara, nanerana ny Nosy, raha tsy hilaza afatsy ny tao Mahajanga izay isan’ny tanàna be mpino silamo betsaka, ny tany Antsiranana, ny tao Toamasina. Raha ny antontan’isa, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 13% amin’ny mponina eto Madagasikara no mpino silamo. Misy fanamarihana olom-pirenena sasany toy ny teto Antananarivo ny andron’ny omaly hoe: toa misy karana miasa, ka tsara ny ny manamarika fa ny ankamaroan’ny Indiens dia Hindou no finoany, fa ny pakistanais no misy silamo. Fanamarihana sy fampitahana entin’ny mpandinika mba hanazavana ny sain’ny maro ihany koa ny hoe : « Ny « Islam » dia finoana tahaka ny hoe : kristianisma, Hindouisme,… fa tsy fihaviana toy ny hoe : Arabo, Malagasy, Frantsay,… ka ny krismasy, paska, andro niakarana,… no mety mifanakaiky kokoa sy azo ampitahaina aminy fa tsy ny taom-baovao Malagasy na alamahadibe,… ka tsy dia mitombina loatra ny fivoizana hoe : tsy fety Gasy io. Fetim-pinoana io, ary betsaka ny Malagasy manaraka an’io eto Madagasikara, hoy ny fanamarihana. Na izany aza, isan’ny hitondran’ny mpandalina ny fomba Malagasy fangatahana sesilany ny hampitovian-danja ny fomba Malagasy toy ny alamahadibe, taom-baovao Malagasy mba hatao andro tsy fiasana fa andraisan-karama tahaka ny fety kristianina sy silamo.
Nangonin’I Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Notsipihin’ny Fivondronamben’ny Eveka fa sakana iray lehibe amin’ny

Card image cap