airtel

Finoana

19-janv-2026

Fanompoam-pivavahana

Lehiben'ny FJKM

Sample post image

Nitondrana fisaorana sy fampaherezana ho an’ny taona 2026

19-janv-2026

Tontosa omaly alahady 18 janoary 2025 ny fanompoam-pivavahana lehibe an'ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara (FJKM) tao amin’ny Kianja Coliséum Antsonjombe, fanao isan-taona. Natokana ho fisaorana an’Andriamanitra sy fangatahana fitahiana ho an’ny taona vaovao, ary koa ho fampaherezana ny mpitarika sy ny fiangonana manontolo. Mpino zanaky ny FJKM an'arivony maro no tonga niombom-bavaka. Ny fanompoam-pivavahana dia nentina hanandratana fisaorana noho ny: taona vaovao 2026: fisaorana noho ny fitahiana sy fangatahana ny voninahitr’Andriamanitra hiseho amin’ny asa rehetra. Noho ny fahazoana Filoha vaovao: fangatahana sy vavaka ho an’i Andriamampianina Zaka Harimasy, Mpitandrina, sy ny ankohonany, izay notendrena hitondra ny FJKM. Nandraisana ny hafatra avy amin’ny Filoha: fandraisana ny toromarika sy fanapahan-kevitra ho an’ny fiangonana manerana ny firenena. Nampahatsiahivina ny Soratra Masina avy ao amin’ny 1 Korintiana 15:58b: “Mahefa he mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo.” Io no teny faneva hiainan’ny fiangonana mandritra ny efa-taona manaraka, miaraka amin’ny fanentanana hoe: “Finoana mamokatra: Mamokatra tsara, Mamokatra be, Mamokatra tsy tapaka.” Niarahabana tamin-kafaliana ny Filoha vaovao, Andriamampianina Zaka Harimasy, sy ny ankohonany ny mpino FJKM. Nampahatsiahivina ny Soratra Masina ao amin’ny Hebreo 13:7: “Tsarovy ny mpitondra anareo, izay efa nilaza teny’Andriamanitra taminareo; hevero ny niafaran’ny fiainany, ka araho ny finoany.”
FJKM MANAMPY VAHOAKA SY MANDRAY ANDRAIKITRA
Notsiahivina fa tanteraka soa aman-tsara ny Hetsika Ara-tsosialy voalohany, izay natao tao amin’ny Kianjan’ny Barea ny 14–16 Janoary 2026. Ity hetsika ity dia naneho ny fiaraha-miasan’ny fiangonana sy ny fiarahamonina, ary ny fanompoam-pivavahana androany no famaranana sy famindrana izany ho amin’ny sehatra ara-panahy. Ity fotoana ity dia nanjary ambohipihaonan’ny zanaky ny fiangonana sy ireo zanany nomen'Andriamanitra andraikitra hitondra ny Firenena sy ireo zanany isa-pitandremana, nandraisana hafatra lehibe hifandraika amin’ny andraikitra samihafa eo amin’ny fiainam-pirenena sy ny fiangonana, miaraka amin’ny tsodrano ho an’ny rehetra.
Toky R
 

Dans la même rubrique