airtel

Finoana

25-août-2026

Fiangonana

Loteranina malagasy nohavaozina

Sample post image

55 taona nisiana teto Madagasikara

25-août-2026

55 taona nisiana teto Madagasikara ny FLMN na Fiangonana Loteranina malagasy nohavaozina, raha ny fampitàm-baovaon'ity fiangonana ity omaly. Velona ary mijoro ara-dalàna sy ara-panjakàna tanteraka ny fiangonana, hoy ny fanazavàna. Izany antony izany no nahatonga indray ny fanavaozana ireo birao foibe nasionaly ka nambara tamin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 22 aogositra 2026 tetsy amin'ny Fihaonambe nasionaly izay natao teny Kianja Ambatomirahavavy. Mbola lany ho filoha nasionaly ny Pastora Dokotera Solofo Andrianoharintsoa, ny Pastora Fihaona Mahatsinjo no filoha lefitra avy amin'ny tapany atsimo raha toa ka ny Pastora Martin Randrianasolo no aty avaratra. Ny mpitahiry vola dia Rakotomalala Emile ary ny sekretera jeneraly nasionaly dia Andriamihaja Jacques. Nanamarika ity fotoam-bavaka ity ny fampahafantarana ny tantaran'ny fiangonana nadritry ny 55 taona lasa. Teo ihany koa ny fifaninanàn-kira nandraisana mpandray anjara maro ka lasan'ny fiangonana Ambohimandroso ny laharana voalohany tamin'ny hira mahakasika ny teny faneva hoe "Fa ny voa no Hahafantarana ny hazo." Ho an'ny fanatanjahantena lahy sy vavy dia ny fiangonana ao Toliara sy Beloha Androy. Natomboka tetsy amin'ny fiangonana Namontana ny 14, 15, 16 aogositra, izay nanatanterahina ny fifidianana ny birao foibe nasionaly sy komity foibe nasionaly hitantana ny fiangonana mandritra ny 5 taona manaraka. Nandritra io fotoana io koa no nandrafetana ny fitsipika anatiny sy ny volavolan-dalàna mahakasika ny FLMN. Ny 17 ka hatramin'ny 23 aogositra kosa ny fanamarihana ny jobily izay notanterahina teny amin'ny kianja Ambatomirahavavy.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-août-2026

no lany ao anatin'ny andro vitsy

Card image cap
24-août-2026

lehibe teny amin’ny Coliseum

Card image cap