airtel

Finoana

21-mars-2024

Fiangonana Shincheonji

Mankalaza ny faha-40 taonany

Sample post image

Nankalaza ny faha 40 taonany ny fiangonana Shincheonji na lanitra vaovao sy Tany vaovao,

21-mars-2024

niaraka tamina mpino mpikambana miisa 30000 mahery izay nameno ny valan-java –boarin’ny fiadanana tao Goseong, Korea ny alakamisy 14 martsa 2024 lasa teo, hoy ny fampitam-baovao. Niorina ny 14 martsa 1984 ary ny Septambra kosa dia nambara ofisialy ny sata mifehy an’i Shincheonji. Ny 14 martsa 1995, fotoam-pankalazana ny faha 11 taona nijoroany kosa dia tafatsangana ireo foko 12 araka ny rafitry ny lanitra voasoratra ao anaty baiboly, hoy ny fanazavana. Ny taona 1999, namindra ny foibe ho any Gwacheon, faritr’i Gyeonggi-Do ny fiangonana, toerana izay voalaza fa nahatanterahan’ny bokin’ny Apokalypsy na Fanambarana. Ny ivon-toerana misiona Ziona kosa, toeram-pampianarana baiboly maimaimpoanan’i Fiangonana Shincheonji dia niatomboka tao Sadang Seoul tamin’ny taona 1990 ary avy eo dia niparitaka maneran-tany izany. Tsy ny faminaniana ao anatin’ny baiboly ihany no hampianarina ao fa ny fahatanterahan’izany ara-batana ihany koa, hatramin’ny bokin’ny Apokalipsy na Fanambarana, hoy hatrany ny fanazavana. Ny taona 1991 no nanantanteraka lanonana fizarana diplaoma voalohany ny ivon-toerana mision Ziona ary ny andiany faha 110 izay natao tamin’ny taona 2019 dia namoahana mpianatra miisa 103764, lanonana voalohany namohana mpianatra maherin’ny iray hetsy. Ny taona 2022 kosa dia namoaka mpianatra 106086, ny taona 2023 dia 108084. Ny taona 1993 no nanomboka niasa ivelan’ny Korea ny fiangonana ary goavana dia goavana ny fitomboana maneran-tany. Na dia nandritra ny valan’aretina COVID-19 aza dia nisy ny seminera izay notanterahina an-tserasera. Niteraka fangatahana fifanakalozan-kevitra avy amin’ny fiangonana hafa izany, izy ireo izay maniry ihany koa ny hianatra ny Baiboly. Izany moa dia niafara tamin’ny fifanaovan-tsonia fiaraha - miasa tamina fiangonana 443 tao Korea Atsimo ary fiangonana 9462 avy amina firenena ivelany miisa 77. Fiangonana 1382 tamina firenena 38 no nanova ny anaram-piangonany ho Shincheonji mihitsy, fiangonan’i Jesosy, Tempolin’ny tabernakelin’ny Vavolombelona, hanehoana ny maha iray antsika sy ny fanekena ny fahamarinan’ny foto-pampianaran’i Shincheonji, hoy ny fanazavana.
Nangonin’i Toky R

 

 

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Niendrika safosafo miaro felaka ihany no nitondran’ny Fivondronamben’ny Eveka ilay fomba fijeriny

Card image cap
15-mai-2024

Notsipihin’ny Fivondronamben’ny Eveka fa sakana iray lehibe amin’ny

Card image cap