atao hoe velirano rehefa tsy misy akora na fisiana hafa atahorana hanatontosàna izany velirano izany kanefa dia ny voambolana hoe «velirano» hatrany no nimatimatesan’ny filoham-pirenena ankehitriny sy nolazainy fa nataony hatramin’ny taona 2018, nilatsahany ho filoham-pirenena malagasy voalohany ka hatramin’izao. Ara-tantara, raha tsiahivina, dia manatona renirano na rano mandeha ny razambe malagasy na ny vazimba no sady mitondra kibay hivelesana izany rano izany rehefa hanatontosa ny atao hoe velirano. Eo izy dia sady mianiana no mively ilay rano ho marika fa hihatra amin’ny ainy iny fianianana na velirano nataony iny, raha sanatria tsy tanterany. Tandindon’ny aina tsinona ny rano amin’ny malagasy. Ny rano izany tamin’izany fotoana izany no neverina fa akora manan-kasina natahorana ho an’ny malagasy ary amin’ny sivilizazionina rehetra misy manerana izao tontolo izao rehefa miresaka finoana na fivavahana anatina firenenana iray dia tsy maintsy manana izay singa atahorany na hoe omeny hasina manokana izay avokoa ny fiarahamonina na firenena iray, araka ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny atao hoe haiolona ara-pivavahana na «anthropologie religieuse». Ho an’ireo firenena heverina hatramin’izay ho Kristianina toy ny amerikanina, ohatra, dia mametraka ny tanany ambony Baiboly hatrany izay filoham-pirenena nianiana nialohan’ny nandraisany fahefàna. Ho an’ireo firenena Miozolomanina dia ny «Coran» na Korany no singa manan-kasina ho azy ireo. Manana ny azy koa ireo firenena Boudhiste, Bahaiste, Kibangiste sy ny maro hafa. 7 taona mahery aty aoriana isika ankehitriny. In-2 nanao fianianana tsy nisy Baiboly na zava-manan-kasina hafa ny filoham-pirenena malagasy ankehitriny, Andry Rajoelina. Ny hita hatreto aloha izany dia nandetika ny firenena hatramin’izao izany mba tsy ilazàna hoe toy ny mifono zavatra hafahafa ihany.
J. Mirija