Tsy mora ny manatanteraka ireny fihaonamben'ny Fiangonana eto an-drenivohitra ireny raha araka ny fanadihadiana natao. Mahatratra amina miliara mantsy ny vola lanin'ny Fiangonana iray ao anatin'ny andro vitsy monja. Ny 80 tapitrisa Ar fotsiny amin'izany raha kely no natokana ho saran-dalan'ireo mpitandrina mandroso sy miverina raha araka ny resaka nifanaovana tamin'ny Pastera Heritiana Randriarimalala, Filoha mpanorina ny trano fivavahana Vahao ny oloko. Ankoatra io ny sakafo in-telo isan'andro isan'olona, ny trano hipetrahan'ireo mpizaika, ny hofan'ny fiara hitondrana azy ireo mivezivezy na ny saran-dalan'ny taxibe.... Mpivavaka miisa 100 anefa raha kely no ao anatin'ny Fiangonana iray raha misy mahatratra 1.000 ny an'ny sasany. Tena tsy toko tsy forohana ny vola lany hoy Pastera Heritiana raha miara-miakatra avokoa ny mpino rehetra hany ka tsy maintsy solontena ihany no hafarana. Notsiahiviny manokana moa ho an'ireo olona sasany manao resabe amin'ny tambajotran-tserasera Facebook ny vola omen'ny Fanjakana ny Fiangonana fa tsy ampahafiriny ireny raha ny vola azon'ireo mpanao politika eto amin'ny tany sy ny firenena. Ody ambavafon'ireo mpanao politika ireny hoy hatrany izy. Na izany aza dia nankasitraka feno ny Fitondram-panjakana ny tenany mahatsiaro manampy ny Fiangonana tahaka ireny.
Pati
Légende : Volabe ny mamory mpino marobe amina toerana iray tahaka izao !