airtel

Finoana

15-mai-2026

Fivondronamben'ny Eveka

"Asio drafitra politika mazava

Sample post image

ataovy madio ny fikaonandoham-pirenena"

15-mai-2026

Namoaka fanambarana lehibe mikasika ny fiainam-piangonana fa indrindra indrindra ny fiainam-pirenena ny Fivondronamven'ny Eveka eto Madagasikara na CEM ny alarobia 13 mey teo, izay mbola novakian'ny Sekretera Jeneraliny Mgr Jean Claude Rakotoarisoa, fa tsy najanona an-taratasy fotsiny. Mamintina azy ny hoe: Mbola miaina ao anatin’ny fifangaroan’ny fanantenana sy tebiteby ny vahoaka. Nankasitrahana ny fanavaozana nandeha toy ny fanandratana ny fiandrianam-pirenena, ny fihenan’ny fahatapahan-jiro sy rano (indrindra tamin'ny governemanta teo aloha), ary ny fanamboaran-dalana. Saingy mbola manjaka ny olana: vidim-piainana miakatra, tsy fandriampahalemana, kolikoly, ady seza, fanalam-baraka sy fampisaraham-bazana amin’ny tambajotra sosialy, ary ny fanindrahindrana tafahoatra ny mpitondra. Nampahatsiahy ny Eveka fa tsy misy drafitra politika mazava momba ny fanavaozana, afa-tsy ny fe-potoana roa taona sy ny fikaonan-doham-pirenena. Nentaniny ny rehetra hanomboka amin’ny fihavaozana avy amin’ny tsirairay sy hatrany ifotony: toe-tsaina, fifandraisana, fomba fiasa. “Antsika rehetra i Madagasikara fa tsy an’olom-bitsy na vondrona,” hoy ny hafatra. Ny fikaonan-doham-pirenena no heverin’ny Eveka ho lakilen’ny fanavaozana. Tokony ho mazava ny tanjona sy ny fomba fiasa, ary ho vokatry ny fifampihainoana sy fifampiresahana ao anatin’ny fifanajana sy ny fitiavan-tanindrazana. Nampitandrina mafy noho izany ny Eveka fa "tsy tokony hifangaro amin’ny tetika fandrombahana fahefana izany", fa ho rafitra hanome fanantenana sy lova maharitra ho an’ny taranaka. Nentanina ny Malagasy ho vahoaka tokana miara-dia, tsy mifandrafy na mifaninana. “Aza mandeha irery, aza miady irery, fa ny olon-tokana tsy mba vahoaka,” hoy ny hafatra. Nampahatsiahivin'ny Eveka ny andraikitry ny mpitondra ho toy ny raiamandreny tsy manavakavaka, ary ny tanora kosa ho fanantenana sy mpanorina fa tsy mpandrava. Nanentana ny vahoaka hanohitra ny kolikoly sy ny tsy rariny, ary hanome lanja ny finoana sy ny fiainana kristianina ho antoka lehibe amin’ny fivoaran’i Madagasikara. Nirary pentekoty feno fihavaozana ho an'ny Firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2026

Tena zava-dehibe ny fiantsoana ny ankolafin-kery rehetra»

Card image cap