airtel

Finoana

04-févr-2025

Hetsika herinandron’ny vontom-pitia faha-6 an’ny FJKM

«Zava-dehibe ny famonjena ny fiainam-pianakaviana»

Sample post image

Hiditra amin’ny andiany faha 6 amin’ity taona ity ny hetsika «Herinandron’ny vontom-pitia»,

04-févr-2025

izay fanaon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM ho fanamarihana ny fetin’ny mpifankatia. Ny 10 hatramin’ny 16 febroary izao, hoy ny fanazavàna, no hanamarihana izany mba hibanjinana manokana ny famonjena ny fianakaviana manoloana ny zava-tsarotra diavina mandrakariva. Ny komitin’ny fiainam-pianakaviana FJKM no mikarakara azy io ary isaorana an’Andriamanitra, hoy ny mpitandrina Fidison Maxime Razafiniarivo, fa mitohy ilay asa satria midika izany fa nahitam-bokany ireo andininy miisa 5 teo aloha. Fampianarana, fanabeazana, fiombonan’aina hatrany no nozaraina tao anatin’izany. Amin’ny ankapobeny dia ny FJKM Katedraly Analakely no handray ny hetsika fa misy kosa toerana vitsivitsy izay handraisana ny andro sasantsasany amin’ny hetsika. Isany, ohatra, ny FJKM Atsimon’i Mahamasina ny sabotsy 15 febroary. Ny FJKM Ambatomena no handray ny talata 11 febroary. Ny sisa rehetra kosa dia eny Analakely. Ny mpitandrina Andriamampianina Zo, mpitaiza sy mpanabe ny tanora sy ankizy ary tomponandraikitra ao amin’ny sampana sekoly alahady FJKM, no hamakafaka ny lohahevitra mitondra ny lohateny hoe «Zanaka voavonjin’ny tenin’Andriamanitra» ny 10 febroary. Ny rektoran’ny Oniversite Ravelojaona, Dr Ratsimandisa Zo, mpitandrina, ny 11 febroary, no hamelabelatra ny hoe «Ray aman-dreny voavonjin’ny tenin’Andriamanitra». Ny lohahevitra hoe «Lehilahy voavonjin’ny tenin’Andriamanitra» no fakafakaina ny alarobia 12 febroary. «Vehivavy vonjen’ny tenin’Andriamanitra» ny 13 febroary, izay velabelarin’ny Mpitandrina Trimozafy Dinah. «Mpivady vonjen’ny tenin’Andriamanitra» no ho vahavahan’ny filohan’ny FF FJKM ny zoma 14 febroary. Ny avy ao amin’ny birao mpiandraikitra foibe FJKM no hamarana ny fampianarana ny 15 febroary ka hitondra ny lohahevitra hoe «Tanora vonjen’ny tenin’Andriamanitra». Isaky ny amin’ny 12 ora atoandro hatrany ary maharitra ora 2 eo foana no hanatontosana ireo fampianarana. Hetsika manokana mitondra ny lohateny hoe «Saham-pitia» kosa no hiseho ny alahady 16 febroary, izay karakarain’ny tokantrano vavolombelona avy ao amin’ny FJKM Manarintsoa finoana ary iarahany miasa amin’ny komitin’ny fiainam-pianakaviana FJKM ka ny filohan’ny FJKM, Dr Irako Andriamahazosoa Ammi, no hitondra ny fampianarana amin’izany ao amin’ny Espace Olympia Ampitatafika ka hanasàna ireo mpivady ihany. Zava-dehibe ny famonjena ny fiainam-pianakaviana ary efa fanaon’ny FJKM ny mampianatra sy manabe mikasika izany saingy araraotina hifantohana aminy kosa ny fotoana toy izao! Olana goavana ankoatran’ny olan’ny fananan-tany sy olana amin’ny tsy fandriampahalemana ny olana amin’ny fiainam-panambadiana sy mikasika ny fitiavana ary mahakasika manokana ny tokantrano. Izay ihany koa no antony nanasiana ilay hoe «Herinandro ho an’ny fianakaviana», hoy hatrany ny fanazavàna.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique