airtel

Finoana

28-juin-2021

Finoana

Kristianina mandinika raharaham-pirenena “Mila ezaka be i Madagasikara”

Sample post image

Tsara ny famirapiratana mankalaza ny fahaleovantena, hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana,

28-juin-2021

 

 

naneho ny heviny mikasika ny fanamarihana ny fetim-pirenena tamin’ity taona ity. Miantraika amin’ny fiainam-bahoaka ve nefa izany, hoy izy. Manao ahoana ilay fahaleovantena? Mbola mila ezaka be izany Madagasikara izany ary mbola tsy afaka mihambo ho mahaleotena isika raha tsy tena miady izany amin’ny zavatra ataony rehetra ny Malagasy. Mbola tsy mahavita tena ara-tsakafo akory isika. Mbola miankin-doha amin’ny firenen-kafa, izany hoe, mbola tahaka ny zaza fahanana ihany satria saika hafarana any ivelany avokoa ny filantsika rehetra. Ny herinaratra koa io izao mbola olana nefa isika manana tekinisianina maro. Vahaolana maika ny ady amin’ny fahantrana. Mila mitodika amin’ny famahana ny ifotony ny fanjakana dia ny fandriampahalemana aloha voalohany indrindra mba hiasan’ny tantsaha am-pilaminana. Na inona na inona tsinona atao ka tsy ampy sakafo isika dia hifamono am-pitoerana sy hifangalatra eto fotsiny isika. Ny fanampiana ny tantsaha no ivo hahafahana mampandroso ny resaka indostria sy ny hafa rehetra. Manana voanjo isika eto, ohatra, dia ireny no tokony hampiroboroboana ny famokarana azy eto an-toerana mba tsy hanjakan’ny any ivelany ny fifehezana ny vidi-menaka anatiny fa mba hananganantsika indostria vaovao mpamokatra menaka ankoatry ny efa eo koa. Manana fary koa isika hamokarana siramamy. Midina ho azy ny vidin’entana rehefa omena sehatra ny famokarana anatiny, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap