airtel

Finoana

16-août-2022

Finoana

Lasa rombo evanjelika? Nifamono ny mpino Jesosy Mamonjy…

Sample post image

Tahaka ny tamin’ny herinandro, niafara tamin'ny sakoroka indray ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Vao maraina dia efa rakotra mpitandro ny filaminana teny an-toerana. Ny miaramila misatro-mena mihitsy no navoaka.

16-août-2022

Navela niditra fa narahina fisavana ihany ireo olona, saingy niafara tamin'ny tamin’ny fifamaliana ka ny andaniny nilaza aleo hitondra I Pasitera Raymond fa efa mazava ny voka-pifidiana, ny ankilany milaza fa nahita hala-bato ny deleke ka tsy ekena ny mpangala-bato. Vokany, niafara tamin’ny rotaka nisiana fahavakian'ny fitaratra, fahasimban'ny seza, ary nisy ireo olona naratra sy torana. Ireo lehibe toa mifampizirizy, ny vahoaka mpino lasa mirotaka sy nifamono. Tsara ny mampahatsiahy, fa ny 29 jolay 2022 no nivoaka ny “Récépissé” milaza fa ny ny Pasitera Randrianatoandro Raymond no lany ho Filoha arahin’ireo lisitra miisa 8 miaraka aminy. Tsy nanaiky kosa ny ankilany, ary naneho fa betsaka ny hosoka, maro no noverezin-jo, ny fifidianana tsy milamina kanefa ny “Récépissé” efa nivoaka,… Tonga hatramin’ny fanambarana fa tsabahan’ny mpanao politika iray izay ambaran’ny andaniny fa tsy mpivavaka ao akory ny raharaham-piangonana. Nilaza ny Depiote IRD Naivo Raholdina momba io raharaha io fa ny Antoko TIM no nanakorontana ny Jesosy Mamonjy, ka sary nangalarina tany amin’ny rindrina facebook-n’ny mpanao gazety iray nanasan’ny fiangonana ny ben’ny tanàna teo aloha sy ny sekretera jeneralin’ny TIM ankehitriny efa 2 taona lasa no nampiasainy. Ny Prefe tetsy andaniny nanapaka fa tsy misy fifidianana haverina izany, fa mandany andro satria efa nifanekena ny voka-pifidianana,… Tonga hatrany amin’ny fitsarana!
MIKATONA AFATSY NY ALAHADY…
Nanapa-kevitra ny Prefen’ny Polisy eto Antananarivo fa hakatona amin’ny lafiny rehetra ny fiangonana mandritra ny herinandro manontolo. Hikatona hatramin’ny sabotsy, fa tsy hajanona kosa ny fotoam-pivavahana, fa hisy kosa ny fepetra horaisina hoenti-misakana ny mety ho fifandonana, indrindra fa manoloana ny mety hitondrana ny olona sasany zavatra mety handratrana ny hafa. Hisy hatrany ny fametrahana mpitandro filaminana manodidina ny Fiangonana mba ho fiandry eo anatrehan’ny mety isian’ny sakoroka. Voarara kosa ny fivorovoriana sy fitangorongoronana manodidina ny Fiangonana. Tena tsy afa-miresaka sy mifandamina ve ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ny Jesosy Mamonjy ? Tena vahaolana ara-panjakana sy famoahana tafika ve no mety sy hampilamina ity raharaha ity ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap