airtel

Finoana

27-déc-2021

Finoana

Namonjy sasak’alin’ny krismasy 12 maty nilatsaham-baratra tao am-piangonana

Sample post image

Fiangonana iray no nilatsaham-baratra ny alin’ny sasakalin'ny Krismasy lasa teo tany amin'ny Fokontany Betsipolotra, kaominina ambanivohitra Ankerana Avaratra distrikan'i Tsiroanomandidy.

27-déc-2021

 Olona 12 isa vokatr’izany no namoy ny ainy tsy fidiny izay niara-nalevina ny faran’ny herinandro teo avokoa. Nialoha ny lamesa maraina tao amin'ny fiangonana katolika tao Andohalo no nitateran'i Mgr Odon Razanakolona ny fisian'io vaovao mampalahelo tany Tsiroanomandidy io. Mbola nanamarina ny fisian'izany vaovao mampahalahelo izany koa ny mpitandro ny filaminana avy ao Tsiroanomandidy, sy ny solombavambahoaka voafidy avy any an-toerana. Tsy nipetraka fotsiny tamin’izao Ny mgr Odon Razanakolona fa tonga nijery ny zava-misy marina tany amin’ity toerana nitrangan’ny loza ity. Tonga nitondra ny teny fampihononana ho an’ireto fianakaviana nanaman-jo iray finoana nilatsaham-baratra taminy izy na dia tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely aza no sady nankahery azy ireo. Marihina moa fa mbola eo am-panaovana fanadihadiana mikasika ity tranga mampalahelo ity ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Nangonin’i Pati
Legende : Nihampantrampatra tahaka izao ny faty ny alin’ny sasak’alina teo tany Tsiroanomandidy !


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap