airtel

Finoana

01-mars-2024

PASTERA MAILHOL

Hasain’ny Fiangonana United Church of God any Etazonia

Sample post image

Hasain’ny Fiangonana United Church of God na ny Fiangonan’Andriamanitra Miray

01-mars-2024

ho any Etazonia Pastera Mailhol, filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy manerantany. Nandritra ny fahatongavan’ny Pastera Timothy Pebworth teto Madagasikara no nahafantarana izany izay nanome tombony manokana ity fiangonana iray ity. Niara-nivavaka tamin’ireo mpino Apokalipsy teny Ambohimarina Itaosy mihitsy ny tenany ny Sabotsy 24 Febroary lasa teo. Nambaran’ity pastera Timothy ity mantsy fa mitovy tsy misy hafa amin’ny fiangonana entiny ny foto-pampianarana sy foto-pinoana hampianarin’ny Apokalipsy. Lohalaharana amin’izany ny fanajana ny andro Sabata. Eo ihany koa ny tsy fihinanana biby maloto arahin’ny finoana ilay Jesosy Kristy maty andro Alarobia izay nilevina telo andro sy telo alina vao nitsangana tamin’ny maty. Hasaina manokana handray fitenena mihitsy Pastera Mailhol mandritra izany. Ankoatra ity fisantarana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta izay nahatongavan’ny pastera Timothy teto Madagasikara ity moa dia anisan’ny nanohana sy nahafaly be ity Pastera ity ihany koa ny fahaizan’ny fiangonana Apokalipsy mitantana izay eo am-pelatanany tsy misy mpamatsy vola. Anisan’izany ny fananganana ilay fiangonana lehibe indrindra aty Afrika etsy Ambohimarina izay tsy misy mpamatsy vola fa amin’ny alalan’ny rakitra sy ny ampahafolon-karena no hanamboarana azy, raha toraka izany koa ny foiben-toerana misy ny Radio Fanambarana eny Ambohimitsimbina. Marihina moa fa i Pastera Timothy no Pastera lehiben’ny faritra any Eoropa sy aty Afrika eo anivon’ny fiangonana misy azy. Pati
Legende : Pastera Timothy Pebworth avy amin’ny fiangonan’Andriamanitra Miray sy Pastera Mailhol mpitarika ny fiangonana Apokalipsy maneran-tany !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Niendrika safosafo miaro felaka ihany no nitondran’ny Fivondronamben’ny Eveka ilay fomba fijeriny

Card image cap
15-mai-2024

Notsipihin’ny Fivondronamben’ny Eveka fa sakana iray lehibe amin’ny

Card image cap