airtel

Finoana

13-sept-2021

Finoana

Pastera Mailhol Tsy mankasitraka fanonganam-panjakana

Sample post image

Na rahoviana na rahoviana dia tsy mankasitraka velively ny fanonganam-panjakana pastera Mailhol Andre Christian Dieudonné,

13-sept-2021

 filoha mpanorina ny fiangonana Apokalipsy eto Madagasikara. Tsy mahasoa ny firenena intsony izany hoy izy ary tokony samy hahay haka lesona ny rehetra. Ny mpanohitra hoy izy tsy maintsy mitady hevitra hanalana ny mpitondra eo amin’ny toerany foana nefa ny mpitondra ihany koa tsy hanaiky mora foana ny handao ny fihinanany izabt . Vokatr’io tsy fifankazahoan-kevitra io hoy izy no mitarika olana eo amin’ny fiainam-pirenena izay misy fiantraikany hatrany. Ho ahy manokana hoy hatrany Pastera Mailhol dia tsy tiako ny haongana rehefa tonga eo amin’ny Fitondrana aho noho izany tsy hankasitrahako ihany koa ny fanaovana izany. Nivoitra ireo nandritra ny fanokafana ny fankalazana ny faha-25 taona nisian’ny Fiangonana Apokalipsy teto Madagasikara tamin’ny sabotsy 11 septambra teo. Teny amin’ny Coliseum Antsonjombe no nanaovana ny fankalazana izay narahin’ny fanokafana ny fiangonana manerana ny Nosy ihany koa taorian’ny fihibohana nateraky ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid 19. Nankasitraka sy nisaotra ireo mpitondra nifandimby niara-niasa taminy araka izany pastera Mailhol mivady tao anatin’izay 25 taona izay. Nisaotra ny mpino ihany koa izy izay marihina fa tena nangorom-potsy tokoa teny amin’ny coliseum. Tsy omby ity ivon-toerana fandraisana fety aman-danonana ity raha izay no hilazana azy. Mikasika ny faminaniana manokana moa dia fantatra fa mbola hisy hatrany ny fanonganam-panjakana maneran-tany, tranga izay tsy miova hoy izy. Mbola hisy ihany koa ireo olo-malaza hamoy ny ainy. Toraka izany koa ny areti-mandringana…. Mbola tsy misy kosa ny faminaniana vaovao azony mikasika ny fiainam-pirenena hoy hatrany pastera Mailhol.
Pati

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap