airtel

Finoana

29-nov-2022

Finoana

Pastera MAILHOL « Tsy tsara ny ory hava-manana »

Sample post image

Nahoraka hatramin'ny faran'ny herinandro teo ny fandresena miezinezina azon'i Anisha,ilay tovovavy Malagasy 22 taona nandray anjara tamin'ilay fifaninanan-kira Star Academy nokarakarain'ny fahitalavitra TF1 ao France

29-nov-2022

Samy niarahaba azy noho ny fanandratany ny voninahim-pirenena Malagasy avokoa moa ireo mpankafy azy teto Madagasikara. Niezaka nifandray sy nanontany mivantana an'i Anisha arak'izany ny mpanao gazety ka tamin'ny resaka fohy nifanaovana taminy no nanambarany mazava fa mpino Apokalipsy tokoa ny tenany hatramin'ny fahakeliny ka hatramin'izao ! efa 20 taona mahery izany no naha- Apokalipsy ahy hoy izy tsy nihambahamba ! Talohan'ny nandraisany anjara tamin'ity fifaninanana Star Academy ity moa dia nihaona mivantana tamin'ny Pasitera Mailhol izay noraisiny ho Raiamandreny ara-panahiny i Anisha tao France nandritra ny fandalovan'ity mpitondra fivavahana ity tany an-oerana herinandro maro lasa izay ! Fihaonam-ben'ireo mpino Apokalipsy tany eoropa moa no notontosaina tamin'izany ka tonga nanatrika tao ihany koa i Anisha amin'ny maha zanaky ny fiangonana azy ! Tamin'io indrindra no nakany hevitra sy toro-lalana tamin'ny Pasitora Mailhol noho izy nantsoin'ny The Voice sy ny Star Academy ka nahasahiran-tsaina azy ! Nanontany arak'izany i Anisha raha mety sy sitrapon'Andriamanitra ny handraisany anjara amin'ny iray amin'ireo fifaninanana ireo sy ny hoe iza amin'ireo no hatao raha azony atao amin'ny maha mpino Apokalipsy azy ! Nivavaka sy nanontany an'i Jehovah noho izany ny Pasitora Mailhol ny alin'iny ka nanome valiny mazava an'i Anisha fa ny Star Academy no sitraky Jehovah handraisany anjara ary dia niroso tamin'ny fifaninanana i Anisha ka iny nahazo ny fandresena iny ! rehefa sitrak'Andriamanitra ny zavatra iray hoy ny Pasitera Mailhol dia tsy maintsy hahazoana vokatra tsara sy manome voninahitra an'Andriamanitra ihany koa.
AMPAHAFOLON-KARENA
Vao maika niteraka resabe ny fahazoan'i Anisha ilay lelavola 450 tapitrisa Ar mahery loka voalohany tamin'ilay lalao Star Academy. Vetivety dia niely ny resaka tamin'ny tamban-jotran-tserasera facebook fa tsy maintsy hangatahin'ny Pasitera Mailhol ampahafolon-karena ity tovovavy kely Apokalipsy ity ! Nahitsy ny valin-tenin'ity Pasitera ity raha nanontanian'ny mpanao gazety fa tsaho inian'ny sasany ahely izany,tsy misy mihintsy ary tsy hisy na oviana na oviana eo anivon'ny fiangonana Apokalipsy tarihiko hoy izy ny fanerena na iza izy na iza amin'izany resaka ampahafolon.-karena izany na amin'i Anisha io na amin'ny mpino Apokalipsy hafa an-tapitrisany maneran-tany ! Satria tsy amin'ny Pasitera velively no hanaovana izany fa amin'i Jehovah hoy izy ka ireo izay nahazo fahasoavana ka hanao izany ampahafolon-karena izany dia azy sy Jehovah izany ! Ny mampalahelo amintsika Malagasy sasany hoy izy dia ilay foto-pisainana ory hava-manana ka izay no tsy mampandroso antsika,toetra tokony hialana ! raha ny filazan'ireo mpanara-baovao sendra anay moa dia maro ireo nilaza fa raha izany ampahafolon'ny vola azon'i Anisha izany tokoa no hoandrandrain'ny Pasitera Mailhol,na ny iray amin'ny fiara maro hampiasain'ny Apokalipsy amin'izao fotoana aza tsy ho azon’izany.
Pati
Legende : Pastera Mailhol maniry ny hiovan’ny fomba fisainan’ny Malagasy
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Niteraka resabe teo anivon’ny tambajotran-tserasera Facebook tato anatin’ny roa andro izao ny fisian’ilay tranga

Card image cap
24-avril-2024

Mafampana ny fifanolanana eo amin’ny sekolim-panjakana Lycée Mixte Victor Miadana na ny LVM

Card image cap