airtel

Finoana

26-août-2026

Pasteur Mailhol

Mamporisika ny tanora

Sample post image

Malagasy hanome lanja ny fianarana

26-août-2026

Mamporisika hatrany ny tanora Malagasy mba hanome lanja ny fianarana sy ny fanabeazana i Pasteur Mailhol Mailhol André Christian Dieu Donné. Fototra lehibe amin’ny fanorenana ny hoavy sy ny fampandrosoana an’i Madagasikara izany, hoy ity farany. Mifanandrify indrindra amin'ny fotoana ivoavan'ny voka-panadinana bakalôrea 2026 no nanararaotany nanaovana fanehoan-kevitra. Teto Antananarivo, dia 51,74 % ny tahan’ireo nahomby, raha toa ka samy hafa kosa ny vokatra azo isam-paritra. Niarahaba ireo tanora rehetra nahazo ny bakalôrea moa ity filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy Manerantany (FAM) ity, ary mamporisika ireo izay tsy nahomby mba tsy ho kivy na hilavo lefona, fa hanohy hatrany ny ezaka. 46 taona lasa izay, pasteur Mailhol ihany koa dia niaina izany fotoana izany : ny fanomanana, ny ezaka, ny fanantenana ary ny fiandrasana ny valin’ny fanadinana. Teto Antananarivo moa i pasteur Mailhol no nahazo ny bakalôrea tamin’ny taona 1980, "série A2" araka ny fampahafantarana nataony. Ny fahazoana ny bakalôrea , hoy izy, dia dingana lehibe, saingy mbola fiandohan’ny lalana ihany. "Mila faharetana, fahavononana, fahitsiana ary ezaka tsy tapaka ny fanorenana ny hoavy".
Jean D.
Pasteur Mailhol, filoha mpanorina ny Fiangonana Apokalypsy

 

Dans la même rubrique

25-août-2026

55 taona nisiana teto Madagasikara

Card image cap
25-août-2026

no lany ao anatin'ny andro vitsy

Card image cap